airtel

Politique

07-juin-2022

Politique

Telo taona nitantanan-dRajoelina Nitombo 7% ny tahan’ny Malagasy mahantra

Sample post image

Tsy mitsahatra mitombo ny tahan’ny fahantrana eto Madagasikara, ary tafiakatra ambony indrindra tsy mbola nisy tao anatin’ny 60 taona izany tao anatin’izao fitondrana Rajoelina izao.

07-juin-2022

Ny mari-pandrefesana teo aloha napetraky ny Banky Iraisam-pirenena, dia voasokajy ho mahantra farahidiny ny olona tsy manana 1,90 dolara isan’andro, saingy hiakatra ho 2,15 dolara na 8600 Ar isan’andro eo io. Ny taona 2017, teo amin’ny 73,7% ny tahan’ny fahantrana teto Madagasikara. Niakatra ho 74,3% ny 2019 nitondran’izao Fanjakana ankehitriny izao. Tonga 77,4% izany ny 2020, ary aty amin’ny taona 2022 dia efa tafahoatra ny valopolo isan-jato satria 81,1% ankehitriny. Nitombo 7% teo izany ny tahan’ny olona mahantra farahidiny hatramin’ny nitondran’i Andry Rajoelina ny firenena. Raha handray antontan’isa hafa, ny fanasokajiana navoakan’ny Vondrona Afrikanina sy ny Firenena Mikambana tamin’ny alalan’ny FAO (Fonds des Nations Unies pour l’alimentation et l’agriculture) momba ny fanjarian-tsakafo aty Afrika ny taona 2021 “Apercu regional de l’Etat de la sécurité alimentaire et de la nutrition”, dia nametraka antsika ho fahatelo ambony indrindra amin’ny tahan’ny olona ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo. Voalohany i Somalie 59,5%, faharoa I Repoblikan’I Centrafrique 48,2%, ary fahatelo i Madagasikara 43,2%. Fahatelo aty Afrika, faha-4 eran-tany amin’ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo isika tamin’io, ary raha ny fanasokajian’ny Banky Iraisam-pirenena vao herinandro vitsy, dia efa ao anatin’ny IPC (Integrated Phase Classification) sokajy faha-5 isika amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, izany hoe voasokajy ho tsy manan-kohanina milahatra amin’i Yemen.

MBOLA HAINGO AMBONY TSIKOKO NO MAIKA
Ekena fa nisy ny valanaretina coronavirus izay ialokalofana foana amin’ny tsy fahombiazana, fa isan’ny lesoka goavana ny tsy fahaiza-mitantana sy mijery ny laharam-pahamehana. Zavatra telo ihany raha ny fandalinan’ny manam-pahaizana no tena mampitotongana sy mampahantra ny firenena iray: loza voajanahary goavana toy ny Tsunami, ady an-trano, tsy fahaiza-mitantana. Mbola ny kirendrarendra sy ny kisehoseho ivelany anefa no maika sy laharam-pahamehana eto : Tanamasoandro, Miami, teleferika, kianja manara-penitra,… Ny Banky Iraisam-pirenena no manome lesona antsika hoe : tokony hamboly sy hamokatra fa raha ny mpitondra dia mbola somokotra amin’ny haingo ambony tsikoko.

Toky R

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap