airtel

Politique

24-août-2021

Politique

Tena nasiaka ny PM Ntsay Christian “Mialà rehefa tsy hanaraka ny lalan-tsaina apetrako”

Sample post image

Notanterahina omaly tao amin’ny foiben’ny ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanon-karena Stratejika, tao Ampandrianomby, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny minisitra teo aloha,

24-août-2021

Andriamatoa Ravokatra Fidiniavo, sy ny minisitra mpisolo toerana vonjimaika, ny Praiminisitra Ntsay Christian. Mandray ny fitantanana vonjimaika ny ministera manomboka omaly mandram-panendry minisitra vaovao, ny Lehiben’ny governemanta. Ny Minisitra efa nesorina sy efa namindra fahefana tamin’ny Minisitra Brice Randrianasolo izay niala 3 andro taorian’ny fanendrena, no namindra fahefana tamin’ny praiminisitra, izay hafahafa ihany amin’ny lafiny lalàna. Taorian'ny famindram-pitantanana dia nisy avy hatrany ny fihaonana teo amin'ny Praiminisitra sy ireo Tale Jeneraly ary ireo Tale eo anivon’ny Ministera foibe sy ireo mpitantana ny rantsa-mangaika isan-tsokajiny. Fifanakalozana amin’ny fandraisana an-tanana ny Ministera sy nametrahana ny lalan-tsaina vaovao hizorana amin’ny fitantanana ny harena an-kibon’ny tany no vontoatin’ny fihaonana. Napetraka mba hifotoran’ny fampandrosoana an’ i Madagasikara ity Ministera ity, araka ny nambaran’Andriamatoa Praiminisitra, ka tsy azo ekena intsony raha ny harem-pirenena no lasa mampahantra ny tanindrazana. Mazava ny tanjona, dia ny hisitrahan'ny vahoaka sy ny firenena tombontsoa avy amin'ireo harem-pirenena misy eto amintsika, hoy Atoa Ntsay Christian.
“MIALA REHEFA TSY HANARAKA …”
Nasian’ny Praiminisitra tsindrim-peo ny raharaha fahatrarana sarobidy tamina kaontenera maro. “Mba tsy rariny kosa, ahoana no ahitanao 7 kaontenera, any Toamasina vao tratra, tsy misy taratasy. Mbola mirehareha ve isika hoe izahay teknisianina sy mahafehy ity asa ity? Henatra ireny. Nanome toromarika hamindrana izany. Mila fahintsiana sy fitiavan-tanindrazana ny asa ataontsika. Izay vonona hiaraka amiko dia amin’izay lalan-tsaina izay dia miaraka amiko”. Fa moa efa misy olona ambony vaoasaringotra na voasazy ve tamin’io trafika io? Nilaza ho tsy manana eritreritreritra hanolo ireo tompon’andraikitra ambony napetraky ny Minisitra Fidiniavo Ravokatra ny Praiminisitra. Ka tsy noho ny tsy fahombiazan’ny minisitra teo aloha sy ny ekipany ve no nanalana azy? “Raha tsy hanala ny tenanao ianao, dia manaraha an’izay làlan-tsaina izay, fa izaho tsy hanana indrafo na amin’iza na iza raha tratrako manao ny tsy mety amin’ity minisitera ity”. Tokony hametra-pialana izany ireo mpiasa tsy vonona hanaraka ny làlan-tsainy raha vantanina. Mbola tsy fantatra mazava kosa ny fe-potoana hitondrany ity Minisitera ity.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap