airtel

Politique

10-juin-2022

Politique

Tena zava-doza Lasa fialokalofan-jiolahy ny andrim-panjakana?

Sample post image

Maro ny Fanjakana nifanesy teto Madagasikara tao anatin’ny 60 taona, fa tao anatin’ity Fitondrana Rajoelina ity no nahavakisana raharaha sy afera maloto na «scandales » betsaka indrindra.

10-juin-2022

Maro ireo olona ambony voatonontonana amin’ny kolikoly sy afera avo lenta. Hatramin’ny olon’ny Fitondrana aza miaiky fa na tamin’ny andron’ny Fitondrana HVM aza tsy tahaka izao ny kolikoly. Ny olom-boafidy misy manararao-pahefana, tahaka ny depiote sasany. Matevina, ohatra, ny dosie mikasika solombavambahoaka voarohirohy amin’ny raharaha trafikam-bolamena, mpitsikombakomba amin’ny karana. Ialokalofana ny zo tsy azo henjehina na “immunité parlementaire” ampiasaina amin’ny fanondranana harem-pirenena, tena ao anaty tambajotra goavana,... Alefa avy eo ny sarintsarim-panadihadiana momba ny trafika, saingy ireny efa avoakan’ny fampahalalam-baovao sasany ireny ny ampahany milaza fa ny mpangalatra indray no hanadihady. Tany anaty Fiadidian’ny Repoblika nahenoana olona voasaringotra tamin’ny raharaha ahiana ho misy kolikoly goavana, saingy nezahina nosarontsaronana. Tsy manameloka avy hatrany an’izy ireny izay anjara asan’ny fitsarana, fa ny mahagaga sy mahatalanjona dia toa nampiasaina ny fahefam-panjakana nampanginana ny raharaha. Tao anaty governemanta nisy olona maro voatonontonona tamin’ny fanodinkodinana mivantana na ankolaka na koa fitsetsefana ny volam-panjakana amin’ny alalan’ny kiantranoantrano: raharaha écran plat 216 tapitrisa Ar, bonbons sucettes 8 miliara Ar,… fa vitavita ho azy. Ny mamaky bantsilana ny heverina fa afera maloto sy ahiahy tamin’ny fandrobana ny volam-panjakana tamin’ny fomba mihaja indray no henjehina any amin’ny Fitsarana raha hiverenana ilay ampamoaka amina miliara maro tao amin’ny Minisiteran’ny fahasalamana, tahaka ny hoe 40 miliara nalaina ary tsy naverina manontolo, 900 tapitrisa Ar nanaovana Centre de transpalantation rénale izay voalaza fa dosie hosoka no nahazoana ny tsenan’asa,... Ny tatitry ny fitsarana momba ny kaonty mikasika ny nampiasana ny vola 440 tapitrisa dolara niatrehana ny coronavirus, dia ireny niaraha-nahita ireny ny nanehoany azy fa betsaka ny tsy fangaraharana sy tsy fanarahan-dalàna. Nisy minisitra voatonona tamin’ny afera maloto nesorina fa nangina avy eo ny raharaha. Mbola misy minisitra ao anatin’io governemanta io voatonontonona amina afera maloto tahaka toy ny hoe: nitsikombakomba nandray vola hatrany amin’ny 400 tapitrisa Ar mba tsy handetehana mpanao trafika harem-pirenena,… Betsaka ny raharaha kolikoly goavana ahenoana anaran’olona ambony am-perin’asa n ateo aloha saingy ny hitoviany dia mangina sy mipirina. Sanatria natao ho fialokalofan-jiolahy ve ny Fanjakana sy ny Andrim-panjakana?
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap