airtel

Politique

02-août-2022

Politique

Teti-panorona politika Manomboka voizina indray ny “ni…ni…”

Sample post image

Mpifanandrina, fa mpifamelona ara-politika ihany koa i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, izay sokajiana ho manana ny tanjaka politika sy manome aina izany aloha hatreto. Manakaiky ny fifidianana 2023, ary raha ny lojika, mbola hifaninana indray izy ireo taorian’ny 2018.

02-août-2022

Mandeha ny fivoizana ara-politika, fa olona samy efa namotika ny firenena ireo, tsy tokony hirotsaka intsony, ary ny fifanandrinan’ireo no isan’ny mamotika ny firenena, mila olom-baovao,… Izay ambara ho olom-baovao anefa, toa mbola mety maka bahana, mijery izay toerana hitodiana ara-politika sao ho rendrika mialohan’ny fotoana noho ny kilalao maloto ara-politika, mety mbola mijery izay tena hasiana ny tongotra,... Misy ihany ireo manomboka mipoipoitra, mampiteny olona, maneho fa mila ilay olona fahatelo na “3ème homme” ny firenena amin’izao zava-misy izao. Misy noho izany ny mivoy mafy ny hisian’ny “ni….ni….” tahaka ny tamin’ny taona 2013. Misy noho izany ny teti-panorona hoenti-manilika an-dRavalomanana sy Rajoelina. Ho mora ve izany? Saika avy tao ambany elatr’ireo mpitondra teo aloha aloha hatreto ireo hita taratra amin’ny fihetsiny fa mety hanao, toy ny depiote am-perinasa iray sy mpandraharaha tompona haino aman-jery iray. Ny mpanao politika sasany indray milaza fa efa misy fifanarahana eo amin’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina amin’ny fifidianana 2023,… Ny herijika ho an’izay mety ho olona fahatelo aloha, dia ny tsy filatsahan’izy ireo no tsara indrindra, saingy heverina fa ho sarotsarotra io. Asa ihany koa izay ho fijerin’ny sehatra iraisam-pirenena, izay na tiana na tsy tiana, dia isan’ny mbola manao pasoka daomy amin’ny raharaham-pirenena sy raharaham-pifidianana eto.
MANAO AHOANA NY POLITIKAN’I LAFRANTSA ?
Ara-jeopolitika, isan’ny manana dian-tànana betsaka eto ny Frantsay. Raha zohiana ny zava-misy ataon’ireo fampahalalam-baovao Frantsay, henjana ary mahery vaika ny fanakianana manokana ny Filoha am-perin’asa Andry Rajoelina sy ny Fanjakana tarihiny, izay midika zavatra maro. Etsy andaniny, nanana ny dian-tanany tamin’ny fanonganana an-dRavalomanana ny Mpitondra tao Lafrantsa. Heverina fa tsy hiova be ny politikan’ireo momba an’i Madagasikara. Raha haravona, tombanana ho tsy resy lahatra amin’i Andry Rajoelina ny Frantsay, kanefa tsy te hamerina an’i Marc Ravalomanana. Tsy marin-toerana anefa ny politika fa miovaova arakaraka ny zava-misy ka tsy voatery hitombina io. Samy mandavaka sy mandresy lahatra ny iraisam-pirenena, eny fa na ny Filoha iray teo aloha Hery Rajaonarimampianina izay mbola tsy eto an-tanindrazana aza. Ny azo antoka raha mijery ny zava-misy, mihena dia mihena ny herijikan-dRajoelina, indrindra fa misy kandida matanjatanjaka any amin’ny faritra, toy ny tapany Atsimo.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap