airtel

Politique

05-juil-2022

Politique

Tetika fangoronam-bola avo lenta Orinasa lazaina banky ropitra, hetra omena ny tsy miankina

Sample post image

Saika misy olana avokoa ireo orinasam-panjakana sy sehatra ara-panjakana samihafa. Izay misy vola toa ataon’ny Fanjakana fandoarana vola, raha tsy hilaza afatsy ny CNaPS (Caisse Nationale de Prévoyance Sociale),

05-juil-2022

izay nakan’ny Kaominina vola 11 miliara Ar, nolazain’ny filoha tany am-piandohan’ny fanjakany fa misy vola hatrany amin’ny 300 miliara azo ampiasaina amin’ny fotodrafirasa hatsangany,… Teo aloha teo, efa nandeha ny resaka taorian’ny olana samihafa mikasika io orinasa io, fa misy vondron’olona manan-katao miketrika hanangana iray tahaka an’io CNaPS io. Fomba fiasa toa fanaon’ny Fanjakana tato ho ato io. Ny orinasa Air Madagascar nofoanana, misavovona hatrany amin’ny 80 tapitrisa dolara ny trosan’olona, dia nanaovana fanambarana fa banky ropitra na “faillite” ka napetraka ho eo ambany fitantanan’ny fitsarana. Natsangana avy eo ny Madagascar Airlines, ka tadiavina ho vitavita ho azy ny raharaha rehetra momba ny Air Madagascar, toy ny trosa, ka any amin’ny fitsarana ny baolina. Mampifanditra ny Minisitry ny fitaterana ankehitriny Atoa Rolland Ranjatoelina sy ny Filoha lefitry ny filankevi-pitantanan’ny Madagascar Airlines Rtoa Rinah Rakotomanga. Tany aloha, ny FER (Fonds d’Entretien Routier), izay novaina ho FR (Fonds Routier) kanefa misy tetikasa mandeha, ka dia io tsy voaloa io ny volan’ny orinasa mpanao làlana, 80 amin’ny 230 eo no voalaza fa hisitraka ny volany. Vao dilan’ny 4 taona anefa, dia naman’ny mampamangy ny volan’olona. Maherin’ny 30 miliara Ar ny volan’ny orinasa mpanao asa vaventy amin’ny Fanjakana ka izay ahitana hirika handavana ny volany, dia mety ho very maina eo. Azo heverina ihany koa ny hoe: efa nisy nanakepoka ny volam-panjakana tamin’ireny tetikasa na orinasa samihafa ireny vao natao ny fanovana na ny fanafoanana azy, mba ho vitavita ho azy ny raharaha ara-bola samihafa mahasaringotra ny Fanjakana na orinasam-panjakana. Ny fandanjana fiara lazaina fa tsy mampidi-bola fa 5 tapitrisa Ar herintaona, ka homena ny tsy miankina, kanefa ireo mpiasa milaza fa ny 2021 fotsiny, ohatra, nampiditra 300 miliara Ar mahery,… Ny an’ny Air Madagascar aza moa vola 5 tapitrisa dolara voalaza fa hanarenana ireo fiaramanidina Airbus A340 roa aza voalaza fa tsy hita izay tena nalehany.
FANILIHANA VOLAM-PANJAKANA AN-KOLAKA?
Ahiana ny resaka fanilihana volam-bahoaka ankolaka na koa tetika hanomezana hotantanan’ny tsy miankina ny orinasam-panjakana sy ny asam-panjakana. Ohatra iray ny hoe: volam-panjakana ny resaka hetra sy haba, tafiditra ao anatin’ny fahefana fenon’ny fanjakana tsy azo hafindra amin’ny hafa na “pouvoir régalin de l’Etat”, ary ny filohan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana teo aloha aza efa naneho izany. Porofo iray mivaingana io eo anivon’ny kaominina Antananarivo lasa gidragidra ny nananganana orinasa hitantana ny hetra sy ny haba, dia ny SMGD (Société Municipale de Géstion Digitale) hikirakira ny vola miditra amin’ny kaominina kan y 30% an’io orinasa io, ary ny 70% ho an’ny kaominina. Tena izany ve fanatsarana mety indrindra na ekena aza fa misy ny lesoka? Manomboka misy ny horohoro sy fifanenjanana raha ny loharanom-baovao azo, ka misy ny te hihemotra noho ny tahotra eo anatrehan’ny fimenomenonan’ny olona, ary ao ihany koa no manenjana fa tsy te hahalala izany fa ny fifanarahana sy ny lalàna mifehy izany no ambony. Ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina izay nanao fiteny roa mifanohitra mikasika an’io satria tamin’ny fifanarahana tamin’ny fakana vola 11 miliara tamin’ny CNaPS dia nirona kokoa tamin’ny hoe: samihafa mihitsy fa tsy misy hidiran’ny kaominina ny SMGD. Rehefa nigrevy indray ny mpivarotra, dia nambara fa orinasan’ny kaominina ihany io, ary fanatsarana no atao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap