airtel

Politique

20-janv-2021

Politique

Thierry Raveloson “Voamarina nisy fampidirana fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna teto”

Sample post image

Nanaitra ny sokajin’olona maro ny nahita an’ireo fitaovam-piadiana

20-janv-2021

 

 

 

nampiasain’ny tafika Malagasy nandritra ny lanonam-panosorana sy nametrahana tamin’ny toerana maha filoham-pirenena ny filoha Rajoelina ny 19 janoary 2019. Nisy fihetsiketsehana nataon’ny tafika mantsy tamin’izay ka isan’ny naseho tamin’izany ireo fitaovam-piadiana vaovao tsy mbola nisy nampiasa teto. Manoloana izany dia nanokatra fanadihadiana ny Vaomiera misahana ny fanadihadihana eo anivon’ny Antenimierandoholona. Notsiahivin` ny Loholona Raveloson Thierry Francis, Filoha hitarika ny vaomiera misahana ny fanadihadiana mahakasika ny fanafarana ireo fitaovam-pidiana mahery vaika teto amin’ny firenena, fa nandritra ny valan-dresaka nataon` ny Filoham-pirenena teo aloha Didier Ratsiraka ny 05 septambra 2018 no niely ny feo fa nisy nampiditra fitaovam-piadiana an-tsokosoko teto Madagasikara. Nandritra ny fanadihadiana nataon` ny vaomiera moa dia tsy misy tonga ireo tomponandraikim-panjakana. Nisy ihany ireo solontena saingy tsy nahavaly na inona na inona. Voahitsakitsaka ny lalàna mifehy ny fampidirana fitaovam-piaidina lah. 69-11 tamin` ny 22 jolay 1971 ao amin` ny and. faha- 9 hatramin` ny faha-14. Torak`izany koa ny lalàmpanorenana eo amin` ny and. faha -48 ihany koa dia manambara fa “manomboka ny andro naovana ny fianiananana ny fe-potoana ny fe-potoana iasan` ny Filohan` ny Repoblika”. Mipetraka ny fanontaniana, hoy ity loholona: amin`ny fomba ahoana no ahafahan` ny kandidà Rajoelina naka fanapahan-kevitra ho an` ny vahoaka Malagasy? Tsy nahitana momba izany koa ireo filankevitry ny minisitra afaka manarina izany sy ny tetibola nividianana izany, hoy izy. Araka izany, nandritra ny fampielezan-kevitra no nidiran` ireo fitaovana ireo ary voamarina fa tsy ara-dalàna izany, hoy ihany izy. Mitaky ny fanadihadiana lalina amin`ireo fitaovana ireo ny vaomiera. Notsipihany kosa fa tsy natao hamelezana olona izany fa hanitsiana ny fomba fitantanana.

Marigny A.

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap