airtel

Politique

05-juil-2021

Politique

Tiako i Madagasikara 19 taona Ny endrika no niova fa ny foto-kevitra mitoetra

Sample post image

Feno 19 taona tamin’ny 3 jolay lasa teo ny antoko noforonin’i Marc Ravalomanana dia ny Tiako i Madagasikara (TIM) ka tamin’ny fomba tsotra no nanamarihana izany tsingerintaona izany teny amin’ny trano fonenan’ny Filoha

05-juil-2021

 

 mpanorina ny antoko teny Faravohitra niarahan’ireo birao politika sy olom-boafidy.Ny fikambanana Tiako Iarivo nanolotra ny filoha tale jeneralin’ny TIKO ho kandida ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra (1999) no nivadika ho Tiako i Madagasikara.Io no nahalany an’i Marc Ravalomanana ho filoham-pirenena ny taona 2001.Naharitra 7 taona teo amin’ny fitantanana ny firenena ny antoko TIM, filoha nasionaly efa nifandimby nitantana ny antoko Atoa isany Raharinaivo Andrianatoandro, Yvan Randriasandratriniony, Solofonantenaina Razoharimihaja (efa nodimandry) .Anisan’ireo birao politika sy lohandohan’ny mpisorona teo anivon’ity antoko ity ry Rajemison Rakotomaharo, Patrick Ramiaramanana, Jacques Sylla, Olivier Donnat Andriamahefamparany, Olga Ramalason Hanitra Razafimanantsoa.19 taona aty aoriana niova ny endriky ny antoko ary misy ireo olom-baovao toa an-dry Fidèle Razara Pierre , Rina Randriamasinoro, Penjy Randrianarisoa, sy ny maro hafa.Ny endrika no mety niova fa ny foto-kevitra mitoetra hatrany dia ny fikatsahana ny mahasoa ny vahoaka sy ny firenena.Mbola tsaroan’ny rehetra tsara angamba ny fomba fitenin’i Marc Ravalomanana fony izy filoham-pirenena manao hoe : “ny mahasoa aloha no atao izay vao ny mahafinaritra”, sy ny hoe “miasa mafy, miasa tsara, miasa haingana”..ary ilay hoe “ny tonga miaraka no fanombohana fa ny miasa miaraka no fahombiazana”.Mbola ao anatin’ny tontolo politika tsara ny TIM ankehitriny izay manana rantsamangaika maneraana ny nosy, manana depiote sy ben’ny tanàna ary mijoro ho mpanohitra.Ny hoe mbola hiverina eo amin’ny fitantanana ny firenena ve dia efa mazava ny resaky ny filoha Ravalomanana : miaina ny fanaovana politika ary maro ny zavatra mety miova.Matoa manana antoko sy vina ary fandaharanasa dia mihevitra ny ho e amin’ny fitondrana mba hamadihana izany ho fandaharanasa.Na izany aza tsy mbola fantatra hoe iza no mety ho kandidan’i Tiako I Madagasikara amin’ny fifidianana fiohan’ny Repoblika ho tanterahana amin’ny 2023 hatreto aloha.
RTT

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap