airtel

Politique

20-juil-2022

Politique

Toavina Rabe “Mpahazo ny tany nosy ny toe-tsaina tsy mivoatra”

Sample post image

Ilay resaka toe-tsaina na “mentalité” tsy mivoatra resahantsika matetika io dia mpahazo ny mponina amin’ny tany nosy na “île” rehetra,

20-juil-2022

hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Toavina Rabe. Iny ilay hoe "mentalité insulaire" ary tena vato misakana be io, hoy izy. Tsy misy hanaovana fampitahana satria nosy mitoka-monina. “Sentiment nationaliste” na fahatsapana ho tompon-tany no mibahana fa tsy fahatsapana ho tia tanindrazana na “patriote” ny ankamaroany. Miheritreritra fa tsy mahakasika azy ny zava-mitranga any an-kafa toy ny ivelan'ny fari-dranomasina misy azy satria voadidina ranomasina izy. Izany no mahatonga ny malagasy maro, eny na ny nahita fianarana aza, dia mihevitra fa tsy misy fifandraisany na vokany amin’ny fiainan'ny malagasy ny zava-mitranga maneran-tany toy ny “conflit Géopolitique mondial” na fifanandrinana politika avolenta eto amin’izao tontolo izao, ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny fanatontoloana sy ny hafa tsy voatanisa. Io olana io miampy ny vesatry ny tantaran'i Madagasikara, ny fanjanahantany sy ny zarazarao hanjakana navelan'ny fanjanahan-tany izay tena raiki-tapisaka sy namela tarazo mety tsy ho voafafa intsony amin’ny fiarahamonina malagasy ankehitriny sy ny hafa rehetra no fangaro mandrafitra ilay resahantsika hoe toetsaina simba. Fanamby lehibe izany saingy fanamby sarotra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap