airtel

Politique

29-juil-2022

Politique

Toe-draharaham-pirenena Hafahafa ny tsio-drivotra politika sy diplaomatika

Sample post image

Izay miteny sy manakiana na manaitra eo anatrehan’ny toe-draharaham-pirenena mikorosy fahana toa tondroin’ny Fanjakana ankehitriny fa te hanongana sy haka ny toerany avokoa.

29-juil-2022

Tsy takona hafenina anefa, fa tena tsy voafehy sy tsy voavaha intsony ny olana mianjady amin’ny firenena: toekarena, sosialy, vidim-piainana, fifidianana, diplaomasia,… Izay mihetsika lazaina fa manankorotana sy mikotrika fanonganam-panjakana. Maro anefa ny fampanenoana lakolosy misy amin’izao fotoana izao avy amin’ny hery samihafa izay tsy ho voatery ho hery ara-politika. Ao raha matoa ny FFKM (Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara) nampaneno lakolosy, ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy na ny CFM niantso fifandeferana, famahana olana, fampandeferana ireo fandaniam-bola sy tombotsoa mihoapampana tsy miantraika amin’ny fiainam-bahoaka,… Ao raha matoa hatramin’ny Vondrona Iraisam-pirenena no mametraka ahiahy amin’ny toe-draharaha politika miseho eto Madagasikara, indrindra fa amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Mandeha any ambadika ny fakan-kevitra sy ny fampiantsoana ataon’izy ireo amin’ny herivelona samihafa toy ny antoko politika ataon’ny sehatra iraisam-pirenena. Miharatsy ny sary ho an’ny Fanjakana Rajoelina, indrindra fa taorian’ny zava-niseho ny sabotsy 23 jolay tetsy ivelan’ny Magro Behoririka. Manara-maso ireny ny iraisam-pirenena, ary manana loharanom-baovao maro sosona mikasika ny toe-javatra miseho eto Madagasikara.
TEFA-TSOFIN’NY IRAISAM-PIRENENA
Mifono fampitandremana lalina ny fomba firesany. Ireny niaraha-nahita ireny ny karazana tefa-tsofina mivaivay hoe: diplaomaty avy amin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena no manakiana an-kolaka any anaty lapam-panjakana momba ny olana ara-tsosialy miseho sy tsy voavaha tahaka ny delestazy, ny diplaomaty sasany miteny fa tokony hakana lesona ny zava-niseho teto Madagasikara hatrizay,... Ny fivoriana sy ny fanambaran-kery ara-politika any ambadika any mandeha ihany fa tsy manaiky resy. Toa minia mikipy na koa mampahery tena ny Fitondrana ankehitriny, fa mbola mamim-bahoaka, mbola mahavory vahoaka, mbola manana basy,… Te haneho an-tsary fa na eo aza ny menomenona samihafa miseho, mbola maro ny mpanohana sy te hamerina azy eo amin’ny fitondrana. Ny sosialy sy toekarena miha milentika, ny lafiny politika miha mangotraka,… Hahomby foana ve ny don-tandroka sy ny fampanekena fa izao no mety? Haharesy lahatra ny zavatra volomboasary tokanana arahina serasera be ka tsy olana na mikorosy fahana aza ny toekarena ary mitotongana ny fari-piainana? Mandady ny trambo, miharatsy ny fandehan-draharaha ka asakasan’izay minia jamba! Mety tsy ho hita anio sy rahampitso ny fiantraikan’ny tsio-drivotra politika sy diplaomatika fa mialoha kely, na mandritra sy aorian’ny fifidianana iaraha-mahita eo.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap