airtel

Politique

01-mars-2021

Politique

Toe-draharaham-pirenena Nifampidinika ireo Andriana manerana ny nosy

Sample post image

Nihaona tetsy Ambohipotsy ny sabotsy teo ireo Andriana manerana an’i Madagasikara.

01-mars-2021

 

 

 Fotoana izay notarihin’ny Antenimieran’ny Andriana eto Imerina. Araka ny fanazavana dia ny fahatsapan’izy ireo fa tsy tokony hangina manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena no naneken’izy ireo ny fanasan’ny Antenimieran’ny Andriana teny an-toerana. Saika voasolo tena teny an-toerana daholo moa, raha ny fanamarihina, ireo andriana rehetra na dia voatery noferana noho ny fepetra ara-pahasalamana mbola tsy maintsy hajaina aza. Resy lahatra ireto Andriana ireto fa ny tsy fahalalan’ny Malagasy ny tantara tena marina momba ny fireneny no mahatonga antsika tsy mety tafavoaka ny fahantrana mandrak’anio. Nisy noho izany ny dinika nifanaovan’izy ireo hijerena izay paikady hahatongavana amin’izay fampalalana ny Malagasy ny tena tantaram-pireneny izay. Notsaroana tamin’iny fotoana iny ihany koa moa ny 27 febroary 1897, izay nanaovana sesitany ny mpanjaka Ranavalona fahatelo.

J. Mirija

 

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap