airtel

Politique

15-nov-2021

Politique

Toe-draharaham-pirenena Samy miomana amin’ny sakoroka 2023…

Sample post image

Tandindon’ny toe-draharaha mety hiseho amin’ny taona 2023 izay hiatrehantsika ny fifidianana Filoham-pirenena ny zava-miseho ara-politika amin’izao fotoana izao.

15-nov-2021

 Toa manefy ny sain’ny rehetra hiomana hiatrika izany ny trangan-javatra rehetra. Ny mpanohitra manomboka avo vava, tsy mitsitsy fitenenana, ary tena maneho mivantana fa tsy misy mifankatahotra eto, tsy hanaiky don-tandroka sy hala-bato hitazonana fahefahana. Tsy hanaiky ny kajikajy ara-pifidianana, fa mila alamina aloha ny fitsipi-dalao ara-politika, fa raha io sary miseho io dia mazava fa tsy hisy fifidianana hadio izany. Toa mitady hiverina ny sarin’ny 2018 izay tsiahivina fa resaka lalàm-pifidianana no niaingany, saingy nitarika fihetsiketsehana teny amin’ny kianjan’ny 13 mey, rava hatramin’ny governemanta, niteraka tetezamita kely,… Fidinana an-dalambe sisa no tsy misy dia mitovy ny sary. Misy rahateo no mety tsy te haloto sy hotondroina ho mpanongam-panjakana, saingy efa mampiomana, fa tsy hisy hanaiky kilalao maloto ara-pifidianana izany eo. Ny vahoaka ihany koa etsy andaniny leo lainga sy fitaka, tofoky ny fampanantenana poak’aty sy ny ronono an-tavy. Tsy misy tena miantefa amin’ny valalabemandry maro an’isa, fa toa rendrarendra no betsaka. Mahita vola hanaovana ny sitrany ny mpitondra, fa mitaredretra amin’ny famahana ny tena olam-bahoaka. Indraindray manao gisalahy mangala-ketsa aza, ka ny fa manao ny fahadisoana indray no avo vava. Ny tondro rehetra dia maneho, fa tsy mahay mitantana ny mpitondra ankehitriny, ary tofoka ny vahoaka. Mipetraka sy mangina anefa satria mba mety leo krizy, efa nahazo lesona tamin’ny 2009,… ka ny miandry fifidianana sisa fanafodiny. Tsy misy rahateo mpitarika vonona hitarika fanehoan-kevitra eny an-dalambe. Ny mpitondra moa etsy andaniny miavona sy tsy te hahalala sady mbola avo vava fa sady manam-bola no manana miaramila miaro azy. Fady izany mba hihaino sy hanaiky ny lesoka izany, fa tena mahatoky tena fatratra, toa mbola mihevitra fa hahomby ny paikady tamin’ny 2018 hoe: tsy te amin’ny fahefana feno aza izahay afaka nanao don-tandroka mainka fa izao? Mila miomana amin’izay hitranga ny rehetra satria toa ambony ny risika hisian’ny korontana raha izao sarisary izao no tsy miova.
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Nidina ifotony nanaramaso ny lisipifidianana teny amin’ny fokontany Andafiavaratra

Card image cap
27-mars-2024

Mbola tena marefo ny fiainan’ny antoko politika eto Madagasikara hoy Ramatoa Mireille Andriambolanoro,

Card image cap
27-mars-2024

Tsy mametram-panontaniana ve isika, hoy i Raobelina Andry avy ao amin’ny kolekitifa an’ny Malagasy hoe :

Card image cap
27-mars-2024

Sarotra ny hananana fanantenana fa hiova hahomby izao fitondrana misy izao.

Card image cap
27-mars-2024

Vaovao politika nalaza tao anatin’ny 48ora farany ny fanambarana politika

Card image cap
27-mars-2024

Nisy ny tafa tamin’ny mpanao gazety nataona parlemantera vitsivitsy,

Card image cap