airtel

Politique

11-mars-2022

Politique

Tofoka hatramin-dRajoelina Hiova rahampitso ny governemanta farafahafatarany

Sample post image

Hiditra amin’ny fanovana governemanta izay efa faninefany amin’ity ny Filoha, ary ho endrika fahadimy taorian’ny fanendrena voalohany ny 24 janoary 2019 io.

11-mars-2022

Rahampitso sabotsy izao farafahatarany ny fanovana, raha ny loharanom-baovao. Voalaza fa tezitra mafy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina noho ny afitsok’ireo mpikamban’ny governemanta. Araka ny loharanom-baovao akaiky ny fitondram-panjakana, dia nisy minisitra izay sahy nandrohana ampahibemaso ny filoha tamin’ny fidinana ifotony nataony ; eo ihany koa ny resabe niparitaka tamin’ny tambazotran-tserasera tena nahatezitra ny filoha izany, tsy fitovian-kevitra amin’ny fanapahan-kevitry ny minisitra,… Nandon-databatra mihitsy ny filoha raha ny fantatra nandritra ny fihaonany tamin’ny governemanta farany teo. Nisy ny filankevitry ny minisitra manokana , ny alarobia 09 febroary teo ary minisitra vitsivitsy ihany no nanatrika an’io, raha ny fantatra dia ny Minisitry ny mponina, Minisitry ny angovo, Minisitry ny fanajariana ny tany, Minisitry ny rano, Minisitry ny tontolo iainana, Minisitry ny serasera, Minisitry ny fahasalamana, Minisitry ny fambolena, Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola. Toa efa misy endrika sivana io? Midika ve izany fa ireo no ho voatazona sa ireo no voakasiky ny tena lahadinika? Aiza ny minisitry ny raharaham-bahiny, atitany, fiarovam-pirenena izay samy minisiteran’ny fiandrianam-pirenena. Misy minisitra sokajiana ho tsara toerana ihany tsy voatonona amin’ireo voalaza fa nanatrika, ary ny departemantan’izy ireo aza nandraisana fanapahan-kevitra. Tao anatin’ny tatitry ny filankevitry anefa dia nisy fanapahana niainga avy amin’ny soso-kevitry ny Minisiteran’ny atitany, narahina fanendrena tompon’andraikitra ambony, izay toa midika fa tsy ho voakitika amin’ny toerany ny Minisitra Pierre Houlder. Nisy fanendrena olona ambony ho an’ny Minisiteran’ny asam-panjakana sy ny lalàna sosialy, ny Minisiteran’ny asa tànana sy ny haitao, ary tao amin’ny Minisiteran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra. Isan’ireo mampametra-panontaniana kosa ny minisitry ny filaminam-bahoaka hoe: nankaiza koa no tsy voaantso tamin’ity filankevitra manokana ity? Misy minisitra tsy hita sy tsy re feo mihitsy, toa manaporofo hatrany izao fa kitoatoa ny fitantanana ny firenena, ary na dia ireo manam-pahefana ambony ao amin’ny fahefana mpanatanteraka aza dia misy tsy matotra ary mety efa tsy manaiky mandray toromarika intsony avy amin’ny filoham-pirenena kanefa tsy izy ihany ve moa no nanendry ireo ? Tena mahagaga sy mahavalalanina ary tsy mbola nisy tao anatin’ny 60 taona!? Toky R

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap