airtel

Politique

13-déc-2021

Politique

Toliara Norarafana lakrimozenina ny vahoaka

Sample post image

Miakatra hatrany anaty zanaka atidohan’ny Fanjakana Rajoelina ny tahotra sy ny hetraketraka politika, hany ka hatramin’ny fankalazana ny tsingerin-taonan’i Marc Ravalomanana tao amin’ny Magro Toliara

13-déc-2021

 izay toerana mikatona sy an’olon-tsotra aza omaly dia nampiasana herim-pamoretana. Nosakanana hatramin’ny farany ny fihaonan’ity Filoha teo aloha ity sy ny vahoakan’i Toliara. Nandritra ny vavaka tamin’ny maraina dia efa nihaodihaody teny amin’ny fiangonana nivavahan’i Marc Ravalomanana ny mpitandro ny filaminana, ankoatra ny fibahanana ny vavahadin’ny Magro. Rehefa tonga sy nikasa hiditra tao amin’ity toerana ity ireo mpanohana an’I Marc Ravalomanana, dia nandeha ny fifampiresahana teo amin’ny mpitandro ny filaminana sy ireo mpitarika ny RMDM. Tsy nisy anefa ny marimaritra iraisana. Raikitra ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso ny mankanin-tsofina. Sakoroka eraky ny tanàna nentin’ny mpitandro filaminana nanaparitaka ireo mpiara-dia amin’ny Filoha teo aloha. Fepetra ara-pahasalamana no notondroina ho antony, kanefa mbola tsy nisy didim-panjakana mametraka ny tsy fahafahana mamory olona, eny fa ny fiangonana aza misokatra soamantsara. Raha resaka fiarovana amin’ny coronavirus, ny Faritra Atsimo Andrefana dia 12 ny tranga tao anatin’ny herinandro, fa voarara ny fihaonan’I Marc Ravalomanana tamin’ny mpanohana azy hiara-hankalaza ny tsingerin-taona nahaterahany. Ny an-dRajoelina kosa tao Antsirabe, 183 ny trangana coronavirus tao anatin’ny herinandro, saingy afaka namory vahoaka nitsinjatsinjaka sy nifampitakosona ny sabotsy teo. “Tsy rariny intsony, ary efa tena didy jadona izao”, hoy ireo mpitarika RMDM “Ny fankalazana ny tsingerintaonan' ny andro nahaterahako no nokasaiko hiarahana tamin' ireo mpiara-dia amiko teto Toliary. Mampalahelo ny zava-misy satria nosafidiko manokana natao teto Toliara izany tamin' ity taona 2021 ity. Na izany aza dia faly aho ary tena faly mahita ny firariantsoa maro avy aminareo”, hoy I Marc Ravalomanana. Miakatra ny daozin’ny hetraketraka politika, taorian’ny fanitsakitsahana ny andro maneran-tany ho an’ny zon’olombelona nampiasana herim-pamoretana milanja basy, dia resaka fankalazana ny tsingerin-taona indray ity no nanaparana ny hery nentina nanaporofoana ny maha Fanjakana jadona.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap