airtel

Politique

22-nov-2021

Politique

Tolo-dalàna sy fifanarahana niteraka resabe Nifono fivarotana sy famadihan-tanindrazana…

Sample post image

Fomba fanaon’ny mpitondra sy ny manampahefana ankehitriny ny manisika lalàna na fifanarahana hafahafa tiana hampiharina eto amin’ny tany sy ny Fanjakana.

22-nov-2021

Efa nandeha teto izany fanolorana volavolan-dalàna momba ny fanomezana zom-pirenena ho an’ny vahiny, indrindra fa ny teratany karana, izay niteraka resabe tsy nifankahitana, ka dia iny somary nangingina iny aloha. Vao tsy ela ny raharaha fanasisihana ny volavolan-dalàna momba ny fanomezana alalana ny fanalana zaza no ny antony ara-pitsaboana na ITG (Interruption Thérapeutique de la Grossesse) izay niteraka fanoherana maro samihafa. Hatramin’ny fiangonana aza dia nijoro avokoa ny ankamaroany, fa tsy mila lalàna izany, zavatra efa misy, ary ny fanomezana vahana azy amin’ny alalan’ny lalàna dia varavarana midanadana amin’ny fikoloam-pahafatesana,… Taorian’ny fanoherana maro samihafa dia iny nangingina indray aloha iny resaka iny. Vao herinandro indray ilay raharaha fikasana hanome ny fitantanana ny valanjavaboaharin’I Tsimbazaza ho an’ny orinasa karana. Tsy tahotra tsy henatra amin’ny fikatsahana fifanarahana tolo-botsotra na “gré à gré” tsy misy antso tolo-bidy na “appel d’offre”. Iny karazan’ny nihemorana iny indray aloha taorian’ny fanoherana sy ny grevin’ny mpiasa,… Mahagaga fa mifanipaka ihany koa ny firesaky ny manam-pahefana satria ny Sekretera jeneralin’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony nilaza ny 18 novambra taorian’ny fifampidinihana tamin’ny solontenan’ny mpiasa sy ny mpikaroka, fa “ nifanaiky ny fanafoanana ny fanomezana ny fitantanana ny PBZT ho an’ny Vondron’orinasa Axian” izy ireo. Ny minisitra ny fampianarana ambony nilaza ny 19 novambra fa mbola eo am-pandinihana ary mbola tsy nanome valiny ho an’ny Axian izy ireo. Ny an’izany izany no marina? Rehefa tena halalinina ireo fifanarahana tiana hatao sy tolo-dalàna tiana hapetraka, toa misy ifandraisany amin’ny vahiny sy fanomezana toombotsoa mivantana na ankolaka an’ireo hatrany, matetika mamofompofona famarotan-tanindrazana mivantana na ankolaka, fampidirana kolontsaina vahiny indraindray toa mifanohitra amin’ny soatoavina Malagasy. Tsy ny fifanarahana sy ny fiaraha-miasa na ny fametrahana lalàna iray no ratsy, fa ny zavatra tsy mangarahara sy ny mety ho ambadika avo lenta.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap