airtel

Politique

28-mars-2022

Politique

Tsiry Andriamihantasoa “Manana 20 tapitrisa Ar ny fokontany vao handroso isika”

Sample post image

Fohazy aho rehefa mandroso i Madagasikara hoy ny filoha Ratsiraka talohan'ny nahafatesany araky ny hafatra nampitondrainy ny zanany, hoy ny mpanao politika sady filohan’ny fikambanana Tanora mandray andraikitra na TMA,

28-mars-2022

 Tsiry Andriamihantasoa. Mahavariana ahy sy tsetsatsetra tsy aritra, hoy izy, hoe nahoana no maty talohan'ny 29 martsa ny filoha ary toa vita kajy ny andron'ny fandevenana izay natao 29 martsa? Fohazy aho hoy izy! Sarotra ny mamoha ny filoha Ratsiraka! Ary tsy handroso mihitsy ity firenena ity raha izao zava-misy izao no jerena. Kolikoly eraky ny sampan-draharaham-panjakana rehetra. Tsy mamokatra ilay firenena. Hanjakan'ny vahiny ny tsenam-barotra. Mihena ny fahefa-mividy. Tsy misy foto-drafitrasa hivoahan'ny vokatra. Miha mahantra ny vahoaka, hany ka tsy manana vahaolana afa-tsy na ''mivarotra'' na mangalatra. Izay mangalatra na misoloky dia ireny hitantsika ireny fa matin'ny fitsaram-bahoaka noho ny tsy fahatokisan'ny olona ny fitsarana. Inona Ilay olana goavana mampahantra ny vahoaka? Tsy manana fahefana amin'ny fihariam-pianana ny vahoaka satria voafetra ny fahefany. Ratsiraka no niteny an'io teny io fa izaho kosa miteny an'izao teny izao hoe '' Tsy handroso mihintsy ity firenena ity raha tsy manana fahefana amin'ny tenany ireo vahaoka ireo.'' Amin'ny fotoana manana teti-bola, fara-fahakeliny, 20.000.000 ariary ny fokontany hitondrany fampandrosoana eny ifotony mahakasika ireo asa fihariana izay vao azo antoka fa handroso isika, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap