airtel

Politique

01-déc-2021

Politique

Tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra “Mihatra amin’ny fiainan’olona maro”

Sample post image

Tsy mahay maka lesona ny mpitondra ankehitriny, hoy ny kandida ho ben’ny tanànan’Antananarivo farany teo, Eliace Ralaiarimanana.

01-déc-2021

 Raha ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina no asian-teny, hoy izy, dia hita fa ny mpiara-miasa akaikiny tao ihany no nanipy hoditr'akondro nampisilifatra azy. Hany ka zary ireny niarahantsika nahita ireny vokany. Raha ny fitantanana tamin’izany anefa ny oharina amin’ny fitantanana ankehitriny dia hita fa mihoatra lavitra ny tamin’izany ny fijaliana iainan’ny vahoaka ankehitriny,noana ny vahoaka,ary tsy mahaleo sarany ny vidiny, mandry handriran'antsy ny vahoaka amin'ny afitsoky ny tsy fandriampahalemana. Izany rehetra izany no iainan'ny malagasy kanefa ny mpiara-miasa akaikin'izao fitondrana izao dia toa vao mainka manampy trotraka manao izay ankahalan’ny vahoaka ny filoham-pirenena. Tsy mba mipitrapitra mampalahelo fa toa vao maika mivandravandra mampatahotra. Ny fitondrana manana finiavana marina sy tsy tia tena dia mandray ny fanakihanana ho fanamarihana ary hanova ny lesoka ho lasa fanatsarana. Ny fitondrana tsy mahazaka kihana dia ilay fitondrana tia mieboebo koa na efa mivarina an-kady aza ny fiainam-pirenena dia mbola lazaina fa mandeha ihany. Fahefana nampindramina io fa tsy hoe anareo mandrakizay koa hevero sy diniho ihany izay tokony ho atao fa ny nenina ho avy handatsalatsa. Voamarina amin'ny zava-miseho sy mitranga ankehitriny fa tena ratsy ny fomba fitantanana misy eto ary izany dia mihatra mivantana amin'ny fiainan'olona maro, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap
19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap