airtel

Politique

18-janv-2021

Politique

Tsy fahasalamana hono Lasa any ivelany ny tompon’ny kaompania STA

Sample post image

Nanaitra ny manodidina sy ny mpandalo ny nahita fiara mpitondra marary na « ambulance »

18-janv-2021

 

 niisa telo be izao ny zoma 15 jaonary teo nijanona vao maraina nanoloana ny trano iray teny Marivolanitra, avaratr’Andohalo. Ora vitsy taorian’io, dia fantatra fa vehivavy iray tao amin’io trano io no voalaza fa tratry ny tsy fahasalamana ka nalefa maika hotsaboina (EVASAN : Evacuation sanitaire) atsy amin’ny nosy La Réunion. Tsy iza io fa ny vadin’Atroa Biny Gilbert, ilay vazaha mpandraharaha tompon’ny Kaompania anabakabaka STA, izay misy ilay fiaramanidina 5R-ASB nahatrarana ilay volamena 73,5kg tany Afrika Atsimo ny 31 desambra 2020. Ny sidina 5R-AMR an’ny kaompania STA no nitondra azy. Niainga teo Ivato ny zoma tamin’ny 9 ora sy 12min niazo an’i Pierrefonds tanàna iray ao andrefan’ny Kaominina Saint-Pierre. Dimy ireo olona tao anatin’ity fiaramanidina ity, teo am-piaingana.

LASA IHANY KOA I GILBERT BINY
Omaly alahady dia re fa nalefa EVASAN ihany koa i Gilbert Biny, ary efa ny zoma taorian’ny nandefasana ny vady andefimandriny no nandeha io resaka io. Tena antony ara-pahasalamana tokoa ve sa misy antony hafa toy ny hoe fifandraisany amin’ilay raharaha trafikana volamena, ohatra ? Taorian’ilay fotoana nitondrana ny vadiny no nilatsaka ny fanapahan-kevitra ny ACM, fa miantona ny sidina manokana iraisam-pirenena ary tsy maintsy mahazo fahazoan-dàlana mialoha ny EVASAN. Midika ve izany fa nahazo fahazoan-dàlana manokana taorian’ny fanajana fepetra hentitra izany i Gilbert Biny, arak’ilay naoty navoakan’ny ACM.

Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap