airtel

Politique

16-août-2021

Politique

Tsy fahatokisana 100% ny TGV-MAPAR Nomena toerana ny ADN, Arema, Antoko Maitso

Sample post image

Miova indray ny fomba fiasa sy fijery tamin’ny endriky ny governemanta. Tsy mitovy amin’ny làlan-tsaina novoizin’I Andry Rajoelina tany am-piandohana hoe:

16-août-2021

 nahena ny minisitera mba hampiharana ny politikan’ny fitsitsiana satria raha 23 teo izany teo aloha, dia niakatra ho 32. Na misy fisokafana ara-politika aza fa tsy nanaraka ny tenin’ny TGV hoe: tsy toy izao ny fandrosoana raha TGV daholo ny minisitra, dia mbola somary hita taratra kokoa hatrany aloha ny fanomezana toerana ny teknisianina na betsaka aza ny tsindry ara-politika, toy ny nataon’ny Depiote IRD izay nivoy ny tokony hanomezana vahana kokoa ny politisianina efa nisedra fifidianana. Nambaran’ny depiote iray nialohan’ny fanendrena, fa nanolotra anarana tany amin’ny filoha izy ireo, ka misy depiote, ary misy olon-tsotra. Marina fa misy depiote voatendry, saingy tsy tena araka ilay fanehoan’ny depiote, fa tokony hifanaraka amin’ny endriky ny antenimiera. Nisy anarana depiote roa nalaza aza fa mety ho tafaverina ho Minisitra dia Atoa Fienena Richard Depiote lany tany Manja efa minisitry ny angovo sy ny Minisitry ny kolontsaina teo aloha Atoa Jean Jacques Rabenirina depioten’I Betioky sady Filoha lefitry ny antenimieram-pirenena avy amin’ny faritanin’I Toliara, saingy tsy nisy tafiditra ny anaran’izy ireo. Na izany na tsy izany, isan’ny azo lalaovina ao anatin’ny politika ilay hoe fifandanjana isam-paritra na “équilibre régionale”. Zary politika efa napetraky ny Fanjakana ankehitriny rahateo ny hoe: “minisitra coach”, ka dia samy manao ho afany amin’ny fampalazana ny Filoha sy ny fanjakana hampiakarana ny taham-panohanana na ny “côte de popularité” hiatrehana ny 2023. Mety fitodihana bebe kokoa amin’ny tanjona ara-politika ihany koa anefa ny nametrahana olona avy amin’ny Antoko. Tsy voakitika Atoa Hajo Andrianainarivelo Filohan’ny MMM (Malagasy Miara-Miainga), Lalatiana Rakotondrazafy Filohan’ny Freedom, ary io niampy an’Atoa Edgard Andriatongarivo Filohan’ny ADN (Antoka sy Dinan’ny Nosy) io, ary eo ihany koa Rtoa Haingosoa Hortensia, izay Mpandrindra Nasionalin’ny Antoko Maitso Hasin’I Madagasikara, izany hoe tafaverina anaty governemanta ny Antoko Maitso izay efa nanana Minisitry ny tontolo iainana tamin’ny alalan’Atoa Georget Alexandre, saingy nesorina. Io nampidirina ao anaty governemanta io ihany koa Rtoa Sophie Ratsiraka, ny zanaka vavin’Itompokolahy Amiraly Didier Ratsiraka Filoha teo aloha, namorona ny antoko AREMA. Endrika iray maneho io, fa tsy mahatoky 100%¨ny herin’ny TGV-MAPAR I Andry Rajoelina.

 

Toky R


 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
27-mars-2024

Nidina ifotony nanaramaso ny lisipifidianana teny amin’ny fokontany Andafiavaratra

Card image cap
27-mars-2024

Mbola tena marefo ny fiainan’ny antoko politika eto Madagasikara hoy Ramatoa Mireille Andriambolanoro,

Card image cap
27-mars-2024

Tsy mametram-panontaniana ve isika, hoy i Raobelina Andry avy ao amin’ny kolekitifa an’ny Malagasy hoe :

Card image cap
27-mars-2024

Sarotra ny hananana fanantenana fa hiova hahomby izao fitondrana misy izao.

Card image cap