airtel

Politique

10-sept-2021

Politique

Tsy noraharahian'ny governemanta Miady irery i Lalatiana Rakotondrazafy

Sample post image

Resabe efa efatra izao ny momba ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy mivady sy ny Mpanakanto malaza Mr Sayda.

10-sept-2021

 Samy manana ny handikany azy, ary iny re omaly iny fa nitory an’ilay fampahalalam-baovao tondroiny ho manala baraka sy manely vaovao tsy marina momba azy ireo ity minisitra ity sy ny vadiny. Tsy nitsitsy moa io gazety io, ka isan’ny nisongadina ilay lohateny hoe: “Lalatiana Rakotondrazafy Minisitra Mama sôsy”, “Lalatiana Rakotondrazafy, Le scandale sexuel lui explose à la figure”,… Omaly dia nampiarahana tamin’ny sarin’ity Minisitra ity sy ny mpanakanto Mr Sayda ny lohateny hoe: “Lalatiana Rakotondrazafy: Ça fait mal quand ça arrive à soi…,”. Niparitaka ny sary, izay samy nanana ny nandraisany azy ny rehetra. Tsy afaka ny hanamarina na handiso an’ireny isika hoe: mpifaninona marina, fa samy manana ny handikany azy kosa ny mpikirakira tambajotran-tserasera. Any amin’ny tohin’ny raharaham-pitsarana ihany koa no andrasana, fa tsy nifampitsitsy ny andaniny sy ny ankilany hatry ny omaly. Somary manahirana ny hiditra lalina amin’ny maha fiainan’olona manokana azy, saingy ny tsy azo hadinoina ihany koa anefa amin’ny lafiny iray dia olobe ao anatin’ny Fanjakana, Minisitry ny Repoblika, “personnalité publique” Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy fa tsy olon-tsotra. Eo indrindra, tsikaritra ho tsy misy ny firaisan-kiana ao anatin’ny governemanta momba ity toe-javatra mahazo ny olony ity. Na ireo mpitondra ambony isan-tsokajiny aza tsy tena naneho firaisan-kiana, fa ny depioten’ny Freedom Atoa Fetra Rakotondrasoa sy ny Depiote Rossy ary Rtoa Rinah Rakotomanga ihany no tena naneho fanohanana sy tsy fankasitrahana nahazo ity Minisitra ity. Tsy minisitra tsotra, fa mpitondra tenin’ny governemana no lasibatra, ary manizingizina fa tsaho ny nahazo azy. Tsy resy lahatra amin’ny ambaran-dRtoa Lalatiana ve ny governemanta? Manampy trotraka an’izany, ny vadiny dia Sekretera Jeneralina Minisitera. Voahoso-potaka ihany koa zany raha hoe tsaho. Nahoana no tsy niteny toa ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina ny minisitera misy azy na ny mpiasa tao? Raha raisina amin’ireny, dia misy amin’ny TGV-MAPAR, ka mitazam-potsiny ny fahavoazan’ity minisitra ao anaty governemanta ity.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap