karazana halatra niseho tao anatin’izany dia saika miantso fikaonandoha eo amin’ny samy olompirenena ankehitriny ny ankamaroan’ireo herivelona eto amin’ny firenena. Io no heverin’ireo antoko politika, vondrona na vovonana politika ihany koa fa hany tokana mety ahitana vahaolana ho an’ny firenena manoloana izao toe-draharaha tsy mety maha tafavoaka an’i Madagasikara anaty fahantrana izao. Tokony hahatonga saina ny fitondrana, hoy ry zareo teo anivon’ny NGPM na «Nouvelle génération politique malagasy» ny zoma teo ny tsikera navoakan’ireo mpisehatra ara-politika marobe sy mpisehatra ara-pifidianana toy ny KMF-CNOE, ny RMDM, ny Diovy i Madagasikara, ny Rohy sy ny maro samihafa ireny, izay samy nampiseho fa tsy nandeha tamin’izay laoniny ilay zotram-pifidianana. Miverimberina miantso ny amin’ny tokony hanaovana fikaonandoha hanadiovana izany moa, ohatra, ny antoko politika Teza. Ireo antoko politika hafa toy ny Natiora sy Matsilo koa tetsy ankilan’izay niantso ny amin’ny tokony hanaovana faran’izay maika izany fikaonandoham-pirenena izany, tsy hamahana ny olana amin’ny resaka fifidianana fotsiny, fa ny resaka sosialy sy toekarem-pirenena ihany koa. Tetsy ankilany dia nazava ny fanapahan-kevitr’ireo raiamandreny am-panahy teo anivon’ny FFKM, izay nisafidy ny tsy handray anjara mihitsy tamin’ny fanaraha-maso ny fifidianana solombavambahoaka farany teo. Isan’ny fanontaniana mipetraka ny hoe miandry izay daty tapaka hanatanterahana izay fikaonandoha izay fotsiny koa ve ireo? Raha izao fizotrany izao aloha dia vita fety no hivoaka izany ny valim-pifidianana ofisialy mikasika ny fifidianana solombavambahoaka. Ho hita eo ny tohiny.
J. Mirija
Mizotra mankany amin’ny fampandaniana an’i Harilala Ramanantsoa ny voka-pifidianana havoakan’ny Tribonaly
Mandeha be ny resaka efa ho andro vitsy izao fa miatrana an-dakazerina avokoa ny foloalindahy.
Miha mafana ny toe-draharaham-pirenena ! Niparitaka omaly ny resaka nifamaofaho na avy amin’ny fanambarana
Azo lazaina ho takon’ny fiarovan-tseza tanteraka izany izao ny fiheverana izay hampandrosoana ny firenena
Mafampana ny toe-draharaha mikasika ny fifidianana ao Toamasina I. Nanamafy fa hijoro
Nafotaka ny fifampitorian’ireo samy kandidà ho ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra noraisina