airtel

Politique

20-sept-2022

Politique

Valy bontana ao amin’ny APMF “Tapi-dalan-kaleha ny Sendika lany daty”

Sample post image

Sesilany ny valin-kafatra avy ao anatin’ny APMF (Agence Portuaire Maritime et Fluviale) eo anatrehan’ny fihetsika voalaza fa ataon’ireo olom-bitsy mpitarika sendika,

20-sept-2022

ambaran’ny andaniny fa efa lany daty, ary efa tapi-dalan-kaleha tahaka ny sokina nanani-bato. Isan’izany ny filazana ny Tale Jeneraly ho tsy mahay mitantana, natorohana ho mpiratsy tikombakomba amin’ny fiaraha-miasa amin'ny Britanika. Momba ilay fampiasana Balise AIS, fitaovana entina manara-maso ny làłan'ny sambo, hahafantarana ny hafainganam-pandehany ary ny toerana misy azy sy ny sisa. Nanamafy ny eo anivon’ny APMF fa teknolojia avo lenta io Balise antsoina hoe AIS io, ary efa nitondran’ny Tale Jeneraly Capitaine de Vaisseau Randrianantenaina Jean Edmond fanazavana antsipirihany. Raha tsiahivina dia niainga avy tamin'ny fifanakalozana traik'efa fony izy tale Jeneraly tao amin'ny CFIM no nentina nampiroboroboana ny fiaraha-miasa amin'ny Britanika. Nisy tamin'ireo AlS efa novidian'ny APMF mialohan'ny hitondran'ny Tale Jeneraly ankehitriny ary nisy 800 tany ho any koa nomen'ny Britanika hoy ny fanazavana. Tsy afaka am-piasaina raha tsy misy ilay antsoina hoe Plate-forme ilay azon 'ny APMF taloha, ary ampiasana zanabolana kosa ilay nifarahana tamin'ny Britanika izany hoe tena ilay fitaovana manara-penitra. Nohazavaina sy noporofoina an-tsary fa mandeha tsara ny fanamboarana sy ny fanatsaràna ireo seranan-tsambo, na ny an-dranomamy. Vao tamin'iny herinandro lasa iny izao, vao nisy mpiasa nalefa hianatra sy hiofana any Frantsa, ka izany rehetra izany ve dia hilazana fa misy tsy fahaiza-mitantana, hoy ny fanamarihana. Nilaza ny Tale Jeneraly fa 5 miliara ny vola novantaniny tao, izay mifandanja tamin'ny karaman'ny mpiasa, kanefa dia vitany ny mampiodina ny APMF, miaraka amian'ireo tetikasa hampandrosoana ny tontolon'ny asan'izy ireo. Manitrikitrika noho izany ny mpitantana fa fanakotontanana ny ataon'ny Sendika nivoy fanaratsiana tamina hainao vaky jery ireny.
Nangonin’i Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap