hoy ny isan’ny mpanetsika ity antoko politika ity eto Analamanga, Michelle Razanamahery. Anio, hoy izy, mantsy ny sabotsy teo dia ny vehivavy TIM Atsimodrano, Fokotim, Jeune TIM no nikarakara fizaham-pasalamana maimaimpoana, fizarana ody kankana sy fampiofanana arakasa ho an' ireo renim-pianakaviana tsy an' asa teny Atsimondrano-Mahalavolona. Miandahy miambavy, araka izany, ny fanomanana ny fiatrehana ny fifidianana ho avy raha ny hita hatreto aloha mikasika ity antoko politika heverin’ny maro ho mbola hany tokana azo antoka indrindra fa afaka hifampitana amin’ny antokon’ny fitondram-panjakana ity. Ny vehivavy TIM moa tamin’io fotoana io teny Atsimondrano raha toa ka tany Ambatomainty-Amparafaravola sy Ambatondrazaka kosa no nanetsiketsika ny fototra na “base” niaraka tamin’ny ekipany sy ny mpanaradia azy ny filohan’ny antoko, Marc Ravalomanana.
J. Mirija
Hanao rodorodo any Toamasina hiatrika ny filankevitry ny minisitra mitety faritra anio
Efa niteny ny antoko politika Teza fa tsy handray anjara amin’io fifidianana io satria ho haingon-tsehatra
Mitohy ny fanapahan-kevitra hafahafa ao amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza taorian'ny nanonganan'ny IRD
Anio 16 aprily 2024 no hamoahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na
Isan’ireo antoko nanapa-kevitra handray anjara amin’ny fifidianana ny antoko politika Otrikafo
Mbola misy ny antsojay amin’ireo tsy ao anatin’ny antoko politika miaraka amin’ny fitondrana