airtel

Politique

18-janv-2021

Politique

Velirano sy fampanantenana Aiza no ahitana 8 miliara dolara ?

Sample post image

Goavana ny tetibola tadiavin’ny Fanjakana ao anatin’ny fanatanterahana ny

18-janv-2021

 

 

 

vinany ao anatin’ny PEM (Plan pour l’Emergence de Madagascar), izay ambara fa mbola hisy ny fifampidinihana mpamatsy vola. Mahatratra 8 miliara dolara ny tetibola vinavinaina hoenti-manatanteraka ny fanamboaran-dàlana, ka isan’izany RN10, RN12A, RN13, RN44,… izay hanompanana 5 miliara dolara. 3 miliara dolara kosa hanamboarana ny « autoroutes » Toamasina Antananarivo mirefy 285 km. Tena goavana izany tetibola izany, izay mazava ho azy aloha fa tsy misy an’io 8 miliara dolara io velively eo am-pelatanan’ny Fanjakana Malagasy. Ho an’i Madagasikara, tsy mbola misy aloha hatreto ny tena fisiana famatsiam-bola goavana azo, eny fa na tao anatin’ny fanampiana mikasika ny maha olona aza. Nandritra ny fihibohana nisian’ny valanaretina, manodidina ny 800 tapitrisa dolara hatramin’ny 1 miliara dolara eo ny fanampiana iraisam-pirenena. Avo 8 heny amin’izany no vola tadiavina hanaovana an’ireo tetikasa roa ireo fotsiny, mbola tsy voaresaka amin’izany ny tanàmasoandro. Raha handray ohatra iray isika, dia mikasa hanangana tanàn-dehibe goavana any amin’ny 100 km Atsimon’I Dakar ilay mpanakanto Malaza Amerikanina manana fihaviana Sénégalais dia i Akon. 6 miliara dolara eo ny teti-bidin’izany, ary amin’ity 2021 ity hatramin’ny 2029 no heverina hanatanterahana azy. Ao anatin’ny 8 taona eo izany. Ny Mpitondra Malagasy anefa maneho, fa ao anatin’ny 2 taona sy tapany, dia ho vitany ny azy eny Imerintsiatosika satria ao no handraisana ny Lalaon’ny Nosy 2023. Tena hisy ve ny fahagagana amina famatsiam-bola goavana? Sa hisy fifanarahana avo lenta toy ny amin’ny sinoa? Ny resaka hoenti-manana eto amintsika tsy misy, ny fampidiran-ketra ambany dia ambany, ny fahatokisan’ny sehatra iraisam-pirenena tsy misy antenaina, indrindra fa io tafiditra amina laza ratsy noho ny trafika avo lenta sy ny kolikoly maro samihafa io i Madagasikara. Ny kely eo am-pelatanana mbola ratsy tantana. Tena hiseho tokoa ve ny fahagagana mbola tsy nisy tao anatin’ny 60 taona ?

Toky R

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap