airtel

Politique

24-juin-2022

Politique

Voasoketa ho nanimba CEG manara-penitra Takian’ny vahoaka ny famoahana ireo mpampianatra 2

Nijoro sy naneho firaisankiana mitaky ny famoahana ireo mpampianatry ny CEG roalahy tao Ambidiampana Bealanana ny fokonolona.

24-juin-2022

Izy roalahy ireo izay voarohirohy ho nanao fanim-banjatra toy ny fitaratra amin’ny varavaran-kely iray ‚ ny fantson-drano ary ny kojakoja momba ny jiro tao amin’ny sekoly manara-penitra ao an-toerana ny 16 aprily 2022. Nohelohin’ny fitsarana ambaratonga voalohany higadra 10 taona an-tranomaizina izy ireo ny 26 aprily. Milaza ny fokonolona fa tondro molotra fotsiny no nandetehana azy ireo, ka nahatonga azy ireo nanao filaharam-be niaraka tamin’ny sora-baventy, ary tonga hatramin’ny tsipaipaika fandoavam-bola 5000Ar isan-tokantrano hanamboarana ny fahasimbana. « Fokonolona manarina ny simba rehetra ; Avoahy ireo mpampianatra vohendrikendrika amin’ny zavatra tsy mitombona ; Sokafy ny fanadihadiana lalina aty ifotony ; Any am-ponja mpampianatra ‚ Potika ny fampianarana », ireo no isan’ny sora-baventy hita nivandravandra nandritra ny hetsika fanairana ny tompon’andraikitra sy ny manam-pahefana ‚ nataony vahoaka ao Ambodiampana ny alarobia 22 Jona 2022. Naneho ny alahelony manoloana izany ny fokonolona tany an-toerana ka nanao tsipaipaika 5 000Ar isan-tokatrano ‚ hanarenana ny simba rehetra amin’ny sekoly ary mitaky ny hamoahana madiodio ireo mpampianatra izay voasazy. Nohamafisin’ireto vahoaka ao Ambodiampana ireto ‚ nandritra ny fanolorana lelavola 1 735 000Ar voaangon’izy ireo izay hanarenana ny simba rehetra mantsy fa tondro molotra sy endrikendrika ary fialonana no atony fisamborana ka tokony hanao fanadihadiana lalina ireo mpitandro filaminana sy ny tompon'andraikitra ao amin’ny fitsarana mialoha ny handray fanapahan-kevitra. Efa notendrena ho talen-tsekoly vojy maika ny iray tamin’ireo mpampianatra naiditra am-ponja ary nitsahatra tamin’ny asany izy rehefa voatendry ny Talen-tsekoly vaovao izay miainga avy any amin’ny lehiben'ny faripiadidim-pampianarana . Nandritra ny fitondran’io Tale vaovao io anefa ‚ voalaza ho nisy vola maromaro banga tao amin’ny kitapombolan’ny FRAM ‚ nalainy talen-tsekoly vaovao ampitaka kanefa tsy nisy tafaverina ary nilaza ny tsy hamerina izany mihitsy izy rehefa notakiany Ray aman-dReniny mpianatra izany. Nisy ny fitarainana nataon'ny FRAM ary anisan'ireo nanampy tamin'ny fitakiana vola izay voalaza ho lanin’ny talen-tsekoly ireto roalahy naiditra am-ponja ireto ka nanomboka teo ny disadisa‚ niafara tamin’izao fanendrikendrahana azy ho namotika sekoly,… Efa nijoro vavolombelona ny Chef ZAP any an-toerana ‚ Atoa Félix fa tsy marimpototra ary tsy nisy fanadihadiana na porofo mivaingana afahana mitazona ireo mpampianatra ireo ‚ ireo mpitandro filaminana rahateo efa niloa-bava momba izany nandritra ny famotorana natao tany Bealanana, hoy ny fanamarihana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap