airtel

Politique

16-juil-2021

Politique

Vola hanampian’ny IDA ho an’i Afrika Nangataka i Rajoelina mba ho 100 miliara dolara

Sample post image

Nisokatra tamin'ny fomba ofisialy omaly maraina tao Abidjan, renivohitr'i Côte d'Ivoire, ny fihaonamben'ireo Filoham-pirenena sy Filoham-panjakana aty Afrika mikasika ny fametrahana ny famatsiam-bola ao anatin'ny IDA20.

16-juil-2021

Nandray anjara tamin'ity fihaonambe ity ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina izay mitarika ny delegasiona Malagasy manatrika izany. Nihaona tamin'ny Filoha ivoariana Alassane Ouattara sy ny solotenan'ny Banky Iraisam-pirenena ireo mpitarika maro eto Afrika ho fananganana ny IDA20. Ny tanjon'ity fihaonana ity moa dia ny fifampizarana traikefa eo amin'ny mpitondra firenena Afrikanina mikasika ny fampiroboroboana ny toekarena, ny fampandrosoana miaraka ary ny fiarenan-dohan'i Afrika aorian'ny valanaretina Covid-19. Maherin’ny 800 tapitrisa ny olona zara raha misakafo maneran-tany. Mahatratra 25 hatramin’ny 35 tapitrisa mantsy ny fitomboan’ny tsy an’asa aty Afrika. 40 tapitrisa ny olona tena fadiranovana. « Ny tanjona dia ny fanarenana ara-toe-karena aty Afrika aorian'ny valan'aretina, amin'ny alalan'ny famoronana asa sy fametrahana fampandrosoana maharitra sy sitrahan'ny rehetra. I Madagasikara dia niady mba ho tafakatra farafahakeliny 100 lavitrisa dolara ny vola fanampiana anatin’ny IDA izay novinaniana ho 92 lavitrisa dolara », hoy ny tatitra nataon’ny Filoha Andry Rajoelina.
MILA FAHAIZA-MITANTANA SY MANGARAHARAHA
Novoizin’ireo pejim-baovao mpanohana fitondrana kosa fa 1 miliara sy 100 tapitrisa dolara no azon’i Madagasikara. Nambara fa avo telo heny amin’ny fanampiana azo isan-taona ny azontsika, ary sambany teo amin’ny tantara no nahazo famatsiam-bola be tahaka izany. Fanabeazana, Fiahiana ara-tsosialy toy ny Fiavota any Atsimo, agrobisuness, Fahasalamana, fizahantany,… no nahazoana sy hampiasana ny famatsiam-bola. Raha tsiahivina kosa ny tantara, dia 1-2 desambra 2016 no nambara tamin’ny fomba ofisialy tany Frantsa taorian’ny dinika niarahana tamin’ny mpamatsy vola ny tohana hatrany amin’ny 10,6 miliara ho an’I Madagasikara. Mety tsy azo 100% io noho ny antony maro toy ny mety ho tsy fisian’ny fitantanana madio, tsy fitoniana politika,… saingy avo folo heny amin’ity lazaina fa sambany teo amin’ny tantara ity. Tsy tonga lafatra ny Fanjakana tamin’izany, saingy mba nisy ihany ny zavatra niangana lovaina mandrak’anketriny, toy ny Vatsin’Ankohonana izay io lasa Fiavota io, ny fotodrafitrasa samihafa,… Dinika manokana teo amin’I Madagasikara sy mpamatsy vola izany, raha toa ka iarahana amina firenena maro kosa ny IDA satria 74 ny firenena mpikambana amin’io, ary aty Afrika ny ankamaroany. Voatonona ny sora-bola, fa mbola fepetra maro no takiana amin’ny fivoahan’izany, toy ny fahaiza-mitantana, fangaraharahana, fitoniana politika,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap