airtel

Politique

23-nov-2021

Politique

Volamena 73,5 kg, Apollo 21… Tsy mety vita ny fanadihadiana

Sample post image

Tsy tena re tsaika na nangingina tanteraka amin’izao fotoana izao ireo raharaha goavana nafampana teto amin’ny firenena,

23-nov-2021

 toy ny volamena 73,5kg izay efa ho herintaona amin’ny desambra, ny raharaha “Apollo 21” nilazana fa nisy nikasa hamono ny Filoham-pirenena,… Nilaza kosa ny Minisitry ny Fitsarana Atoa Imbiky Herilaza omaly, fa mifarana ny raharaham-pitsarana ka hiditra amin’ny fialan-tsasatra na “vacance judiciaire” amin’ny tapaky ny desambra. “Raha ireny raharaha goavana ireny, ny 73kg izao dia mifampitohy io satria misy eto Madagasikara misy any Afrika Atsimo. Misy olona mbola karohina izay tsy voatery any Afrika Atsimo fa mety firenen-kafa no nitsoahany”, hoy izy. Mba ahitana ny marina, mitsara ao anatin’ny fahamarinana, famerenana an’ireny olona ireny, famerenana ireo harem-pirenena no ilofosan’ny fitsarana Malagasy sy ny minisiteran’ny fitsarana, hoy izy. “Momba ireny raharaha goavana ireny, ao anatin’ny famitana ny fanadihadiana sy ny pitsopitsony ny mpitsara, ka ho hita eo na amin’ity taona ity na amin’ny taona ho avy. Misy ny fanafainganana ny asam-pitsarana, saingy mila mitandro ihany koa isika ny kalitaon’ny antontantan-taratasin’ady, mba sady afaka miaro tena ny olona voarohirohy no afaka manazava ny fanenjehana ny fampanoavana sy ny fampanoavana ambony. Aleo hazava tsara ny antontan-taratasin’ady izay vao miroso amin’ny fitsarana isika”, hoy hatrany ity Minisitra ity. Vao 22 novambra isika, hoy izy, ary mbola misy iray volana latsaka kely vao ho tonga amin’ny “vacance judiciaire”. Na izany aza, tsikaritra ho mitarazoka tanteraka, tsy arakaraka ny nanitrikitrihan’ny Filoham-pirenena, fa feno ny porofo eo am-pelantanana, misy mpanao politika ambony,… raha ny mikasika ny raharaha Apollo 21 manokana. Zary mitoetra hatrany ilay voambolana sy fehezan-tenin’ny mpitondra hoe: “mbola mandeha ny fanadihadiana”. Rehefa ireo sokajiana ho mpifandrina politika anefa no misy raharaha hanenjehana azy, toa vetivety ny raharaham-pitsarana sasany toy ny nanamelohana an-dry Berija Ravelomanantsoa higadra 44 volana an-tranomaizana noho ny raharaha facebook, ny an-dry Rolly Mercia izay efa nanatsoaka ny fanondroana azy ilay nanendrikendrika azy saingy ny 44 volana an-tranomaizina ihany no ady eo.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap