airtel

Politique

28-juin-2022

Politique

Vondrom-pikambanana maromaro «Atsaharo ny fanapenam-bava ireo mpanolontsain’ny tanàna»

Sample post image

Vondrom-pikambanana maromaro omaly no nanao fanambarana iraisana naneho ny fanohanany sy firaisan-kinany amin’ireo olom-boafidy eo anivon’ny kaominina Antananarivo izay tratry ny fitoriana ka hiakatra fitsarana anio 28 jona.

28-juin-2022

Sokajian’izy ireo ho antsojay noho ny fijoroany hiaro ny fahamarinana no mahazo an-dry Clémence Raharinirina sy ry Lily Rafaralahy ary ireo namany. «Koa manoloana indrindra ny antsojay, fanapenam-bava sy ramatahora iniana atao amin’ireo mpanolontsain’ny tanàna voafidy eto amin’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra amin’ny alalan’ny fitoriana sesilany atao azy ireo izay hita fa tsy rariny, ary tsy fahita tato anatin’ny 60 taona, dia manameloka izany fanaovana politika maloto izany, ary mahatoky ny eo anivon’ny Fitsarana fa tsy hanome vahana na oviana na oviana izany fomba mamohehitra izany », hoy ny fanambarana novakian-dRtoa Raharisoa Malalatiana. « Manamafy izahay fa tany tan-dalàna sy demokratika i Madagasikara ka raha mbola misy foana ny olom-boafidy manao ny asany araka ny tokony ho izy sy araka ny andrasan’ny vahoaka aminy kanefa enjehina sy katsahina hopotehina dia tsy maintsy mijoro foana izahay Fikambanana», hoy hatrany izy ireo, izay naneho fa mahatratra 51 ireo fikambanana ao anatin’ity Vondrom-pikambanana ity. Nanentana ny olom-pirenena ho avy hanotrona eny amin’ny fitsarana moa izy ireo ho an’ny anio.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap