airtel

Politique

18-févr-2021

Politique

Vondrona Panorama “Aza mifampisambotsambotra …”

Sample post image

Nipoitra ary nanao fanambarana ny Vondrona Panorama rehefa elaela tsy niteny, na dia naneho

18-févr-2021

 

 aza fa miara-dia amin’ny Miara-manonja sy ny fanoherana. Nohitsian’izy ireo omaly fa misy ny fanitsakitsahana ankitsirano ny Zo Fototra maha-olombelona, voafaritry ny Lalàmpanorenana, izay ataon’ny Fitondram-panjakana; Fandikana sy tsy fanajana ny zon’ny Antoko Mpanohitra haneho hevitra; Fanakanana amin’ny fomba rehetra mamohehitra ny fikasana ataon’ireo solombavambahoaka hanao tatitra eny amin’ny Kianjan’ny Demokrasia Ambohijatovo; Fanaovana antsojay amin’ny alalan’ny fampisamborana ireo olom-pirenena sahy mijoro, mamaky bantsilana ny tsy mety eto amin’ny tany sy ny firenena; Fanehoana amin’ny endrika hita maso ny tsy fahazakana demokrasia amin’ny alalan’ny fandrahonana mivantana na ankolaka izay rehetra sahy mivoy izany. Nosinganin’ny Vondrona Panorama manokana ny endrika fanaparam-pahefana amin’ny mpitarika antoko politika, mpitondra tenin’io Vondrona io sady mpanentana ao amin’ny “Miara-manonja”. Noho izany, nanantitrantitra ny Vondrona Panorama fa manohitra marindrano ny jadona ampiharin’ny Fitondrana. Vakianay bantsilana hatrany ny Fanjakana ratsy tantana voaporofo amin’ny tsy fisian’ny mangarahara, ary itolomanay sy dradradradrainay ho ren-tany sy ren-danitra ombieny ombieny ny tsy fisian’ny demokrasia eto Madagasikara, hoy ny fanambarana. Nilaza izy ireo fa tsy ekena mihitsy ny fanakorontanana amin’ny fomba feno haratsiana ataon’ny fitondrana, toy ny fikasana hisambotra ireo mpikambana ao aminy. Nilaza ho manohana 100% ny fikasan’ny solombavambahoaka avy amin’ny antoko mpanohitra hanao tatitra eto Antananarivo ary haneho ny firaisankinany amin’ireo mpikambana ao aminy iharan’ny tsindrihazolena ny Vondrona Panorama. Nilaza fa vonona hatramin’ny farany hiaro ny zon’ny Malagasy tsirairay, ka nanentana ny rehetra ho sahy, hijoro ary tsy hanaiky lembenana hampiseho firaisankiana.

Toky R

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap