airtel

Politique

21-mars-2022

Politique

Vondron’ny tanora Malagasy “Miha sarotra ny toe-draharaha”

Sample post image

Miditra anatina kion-dalana tsy azo ihodivirana ankehitriny izao tontolo izao manoloana ity adin’i Okrainina sy Rosia ity, hoy ny filohan’ny Vondron’ny tanora Malagasy na VTM, Njaka Andriantsoa.

21-mars-2022

 Na inona ataon’ny vahoaka Malagasy sy ny mpitondrany koa dia tsy maintsy hisy fiantraikany ara-toekarena sy sosialy ny zava-misy, hoy izy. Iaraha-mahalala fa mbola firenena miankin-doha amin’ny firenena matanjaka isika. Herintaona izahay no efa nanapa-kevitra sahady, noho izany, hampianatra ny fiarovana ny tontolo iainana. Eo koa ny fiarovana ireo zavamanan’aina anaty ala sy ny tontolo an-tanàn-dehibe. Nampianarinay, noho izany, ny olona mba hanao saribao vita amin’ny fako. Nitetezanay faritra sy distrika maro izany. Isany koa ny fampananan’asa ny tanora amin’ny alalan’ny fiompiana izay tsy ilany fandaniam-bola be fa afaka mividy atody izy dia iny no ahotrika mba ho foy. Nampianatra azy ireo ihany koa izahay hanamboatra fampanatodizana na “couveuse” haha foy atody nefa tsy ilana reny akoho. Maro no nampianarinay ny tanora sy vahoaka Malagasy tao anatin’izay fotoana lavalava izay. Na dia tokony ho andraikitry ny fitondram-panjakana aza izany dia nanoloranay tena. Miha sarotra izao ny toe-draharaha ary na teo aza ny finiavana dia mbola maro ny sakana, indrindra, ny ara-bola. Manana mpikambana anatina distrika miisa 24 eo izao izahay izay mivondrona anatina koperativa antsoina hoe tontolo iainana, hoy hatrany ny VTM.

J. Mirija

Legende: Ny filohan’ny VTM

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap