airtel

Politique

15-juin-2021

Politique

Vondron’olona miaro ny fitondrana Velon’ahiahy amin’ny praiminisitra

Sample post image

Ny 13 febroary 2021 teo no niforona ny Vondron’olona miaro ny fitondrana na VMF.

15-juin-2021

 

 

Izany hoe andro fohy taorian’ny fitondran’ny RMDM olona teny Ambohijatovo sy Imerikasinina, hoy ny mpitarika azy, Jocelyn Falson. Tonga saina izahay miaradia sy manohana izao fitondrana izao, hoy izy, rehefa nijoro ny tanora RMDM fa aleo hampitovy tadin-dokanga koa mba hanangana ny Tanora miaro ny fitondrana na TMF. Niova ho VMF izy taty aoriana satria lasa mivondrona ao ihany koa hatramin’ireo raiamandreny. Mbola miaro ity fitondrana ity izahay satria miasa ny filoha fa ireo manodidina azy no somary hita fa mitsivalam-pandry. Mitavozavoza ny minisitra sasany ary hanaovanay antso avo ny filoham-pirenena hoe soloy ny governemanta sy praiminisitra fa tsy io praiminisitra hitovy taom-piasana amin’ny filoham-pirenena io. Io izany izao no hanana tanjaka hanohitra rehefa avy eo ary hiheritreritra indray hamingana ny filoham-pirenena. Aza adino fa izay praiminisitra nanomboka ny 2009 no nankaty dia saika nilatsaka filoham-pirenena avokoa. Jean Ravelonarivo, Mahafaly Solonandrasana Olivier, Roger Kolo, Camille Vital! Manahy izahay fa hivadika ho fahavalon’ity fitondrana ity indray ny praiminisitra amin’izao, hoy hatrany ny VMF. Mila mijery ekipa dieny izao isika fa na izahay aza raha tsy voajery hatramin’ny 2023 dia mety hihilankilana ihany ireo mpikambana, hoy hatrany izy ireo.

J. Mirija

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap