airtel

Politique

10-févr-2021

Politique

Vonison Andrianjato ` “Efa niala nenina tamin’i Andry Rajoelina aho”

Sample post image

Omaly ny fotoana voatondro hanadihadiana an’Atoa Vonison Andrainjato teny

10-févr-2021

 

 


amin’ny Borigady misahana ny heloka bevava eny Fiadanana, saingy tsy tanteraka.
“Miezaka ny ho tony tsara aho, ary fantatro ny hoe manao politika eto Madagasikara. Efa 40 taona lasa no nanaovako politika ary isan’ny niainako hakiviana, horohoro, fanazimbazimbana tamin’ny politika, kanefa raisiko ho zezika hampiroboroboana ny famokaran-kevitra ho an’ity Madagasikara ity ny zava-misy ombieny ombieny, hoy i Vonison Andrianjato raha niditra mivantana tao amin’ny Miara-manonja omaly. Raha ny politika eto no zohiana, dia efa tafajanona tany Canada aho, na tany Etazonia, ary nanomboka tany Frantsa ny tenako, saingy misy hery, misy hevitra, mbola tsy voazara ho an’ity Madagasikara ity. Tao anatin’ny roa taona no efa nanaovana fihetsika feno fandeferana nentina namondrona ny mpanao politika mpanohitra. Tsoriko, fa niala nenina tamin’ny Filohan’ny Repoblika amin’izao ny tenako amin’ny fomba hanajariana ny fitantanana eto. Sanatria ho an’I Ndrainjato ny nanao banga mihomehy alina amin’ny tsy fihetezana rehetra teto Madagasikara. Adinoko izany. Ho an'ny politikako dia mazava "j'oublie et je pardonne!", hoy izy. Samia velon’aina hahita ny zava-misy eto amin’ity firenena. Raha ny fahitako ny zavatra hatrizay, tsy mandeha ary rehefa tonga amin’ny ohatr’izao ny fandehan’ny toe-javatra dia efa “misy raha la terre”, hoy ity Minisitra teo aloha ity. Nambarany fa nisy antony ny nanapahan’ny mpamatsy vola ny famatsiana tamin’ny fiafaran’ny fitondrana Ravalomanana, ary tsy kivaririvary ny nametrahana an’i Andry Rajoelina fa ny fiverenana amina lamina araka ny lalàmpanorenana, saingy heveriny fa mety ny nataony, ary mbola tohizany amin’izao, ka ny firenena tsy ananan-kavana, hoy i Vonison Andrianjato, izay nankahery ireo namany ao amin’ny Miara-manonja.

Toky R

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap