airtel

Politique

24-févr-2021

Politique

Vono olona sy tsy fahazakana demokrasia Nokianin’ny hetsiky Rohy ny Fanjakana

Sample post image

Nisy omaly ny fanambarana nataon’ny Hetsika Rohy manoloana ny fihombon’ny krizy sosialy sy ny toe-draharaha politika ahiana hiteraka krizy.

24-févr-2021

 

 Nahitsy izy ireo naneho ny fampiasana ny mpitandro filaminana ho herim-pamoretana. Maka endrika fampiharana ny lalàna diso tafahoatra, ary mampiasa famoretana fa tsy mikendry fisorohana ka manjary mirona amin'ny famerana ny fahalalahan'ny tsirairay raha ny zava-mitranga ankehitriny no jerena. Raha heverin’ny mpitondra ankehitriny fa miaina anaty demokrasia i Madagasikara, dia tokony iantohan’izy ireo ny zon'ny olom-pirenena maneho hevitra, ny zo mizaka hevitra ary ny zo hanao fihetsiketsehana am-pilaminana (araka ny voasoratra ao amin’ny andininy faha-20 amin'ny Fanambarana Iraisam-pirenena momba ny zon'olombelona) : satria io fahalalahana io no fomba iray hahafahan’ireo mpisehatra maneho ny fitakiany ary miaro ny zony amin'ny fiainana andavanandro, hoy ny ampahany tamin’ny fanambarana. Ny fanaovana fitakiana na fihetsiketsehana amin’ny maha zo fototra azy dia mitaky ny fandraisana andraikitr’ireo mpitandro ny filaminana hanao izay hampizotra izany ao anatin’ny filaminana. Ny tanjona kendrena amin’ny fitandroana ny filaminana dia ny fisorohana izay fihoaram-pefy mety hitarika herisetra sy fanimbana (fiarovana ireo mpisehatra hafa tsy manao fihetsiketsehana tahaka ny mpivaritra ohatra) na amin'ireo olona mety hanohitra ny fihetsiketsehana na iza na iza izy ireo (nomanina sy/na voakaraman’ny mpifanandrina ohatra) : tsy mizaha tavan'olona na miandany io fiarovana io ary tsy tokony hikendry amin’ny ankapobeny ny fiarovana ara-politika ny tompom-pahefana , anefa hita fa manjaka ny tsy rariny sy ny tsy fahaiza-mitantana.

MAHAGAGA NY FANAZAVAN’NY GOVERNEMANTA

Noho izany, nanameloka ireo fitaovana nampiasaina nandritra ny fihetsiketsehana nataon'ny mpianatra tao Toamasina ny alakamisy 18 febroary lasa teo ny Rohy, izay naneho fa niafara tamin'ny ratra tamin'ny andaniny roa sy ny fahafatesana noho ny fampiasana bala tena izy, kanefa fantatra fa ny fitaovam-piadiana mahafaty dia voarara. Mahatalanjona ny nilazan’ny Governemanta fa tifi-danitra nahatonga ny fahafatesana noho ny ratra teo amin’ny fe niteraka fahaverezan-dra ( !) . Lavinay koa ny fanamarihana tsy ara-dalàna fa fiarovan-tena no nataon’ilay Polisy nitifitra na dia nampiana ireo lalàna manazava izany, satria ireo mpianatra ireo dia naneho ny fahatezerany mafy tokoa, saingy tsy nitana fitaovam-piadiana mahafaty, hoy ny Hetsika Rohy.

Toky R

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap