airtel

Politique

02-sept-2022

Politique

Vonomoka tany Ikongo Nivoaka ny fanamelohana iraisam-pirenena

Sample post image

Nivoaka tao anatin’ny fahanginany ny sehatra iraisam-pirenena manoloana ilay toe-draharaha tany Ikongo. Naneho ny ahiahiany goavana ny Vondrona Eoropeanina tamin’ny alalan’ny Mpitondra

02-sept-2022

 teniny misahana ny raharahamm-bahiny sy ny politikam-pilaminana eo anivon’ny Sampan-draharaha Eoropeanina misahana ny asa ivelany. Manahy mafy ny Vondrona Eoropeanina noho ny fifandonana tamin’ny zandary sy ny vahoaka ny 29 aogositra teo. « Manameloka tanteraka ny fampiasan-kery tafahoatra nataon’ny mpitandro filaminana izay nitarika tany amin’ny fahafatesan’olona maherin’ny roapolo, ary miantso fanokafana fanadihadiana mahaleotena ahafahana mamoaka ny marina momba ny zava-nitranga, ary hanolorana eo anivon’ny fitsarana ireo olona rehetra nanitsakitsaka ny lalàna ». Etsy ankilany, nampahatsiahy ny finiavany amin’ny ady amin’ny herisetra atao amin’ny olona varira ny Vondrona Eoropeanina. Ny rehetra dia tokony hanao izay fomba rehetra hiarovana ireeny olona ireny, ary hanampy azy amin’ny ady hisian’ny fiainana tsy misy fanavakavahana, tsy misy resa-bolokoditra sy herisetra, hoy ny Vondrona Eoropeanina. Na manana ny fiandrianany aza i Madagasikara, azo antoka ny hahatongavan’ny raharaha eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena matoa mitaky ny hivoahan’ny marina izy ireo izay sarotiny mafy amin’ny resaka zon’olombelona. Isan’ny mamaritra ny fanapahan-kevitra momba ny fiaraha-miasa sy ny famatsiam-bola ho an’i Madagasikara ireny. Tsara ny manamarika, fa niantso fanokafana fanadihadiana parlemantera sy handefa ny raharaha amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny Depiote voafidy tany Ikongo sady Filoha lefitry ny antenimieram-pirenena Atoa Brunelle Razafitsiandrafa. Andrasana hatrany ny fivoarany.
Toky R 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap