airtel

Politique

08-août-2022

Politique

Vory lanona ny Emmoreg Fa ao amin’ny Magro angaha ny dahalo ?

Sample post image

Any amin’ny tsy mivonto no manaintaina! Tany Ankazobe no nisy olona 33 matin’ny dahalo, tany Ifanadiana no nisy 5 mianaka nataon’ny fahalo vono moka tamin’ny fomba feno habibiana,

08-août-2022

saingy tetsy amin’ny Kianjan’I Behoririka no rakotra mpitandro filaminana zavon-tany, hary fitaovam-piadiana. Sanatria toa tahaka ireny any amin’ny tany miady ireny ny sary miseho. Angaha moa ny mpanohitra nanentana ny mpomba ho azy ho eny amin’ny Magro ny sabotsy teo? Mitaintain-dava tahaka sy sahobakaka ambodiriana ny Fanjakana, hany ka manao andrimaso amin’ny mety hisian’ny hetsika sy famoriam-bahoaka ara-politika ataon’ny mpanohitra etsy amin’ny Kianjan’I Magro Behoririka nanomboka ny 23 jolay 2022 teo. Na tsy misy aza ny antso sy toromarika avy amin’ny mpanohitra amin’ny mety hisian’ny famoriam-bahoaka eo amin’io toerana io, zary efa mandeha ho azy ny fiambenana ny olona tsy hiditra ao isan-kasabotsy. Tena izay ve sisa no fomba sy paikady mahomby indrindra hanoherana ny mpanohitra? Tena ny famoriam-bahoaka mety hiseho ao amin’ny Magro ve no atahorana eto fa tsy ny fahatezaram-bahoaka no ny tsy fisian’ny vahaolana mahomby sy maharitra eo anatrehan’ny fahantran’ny firenena? Ny olon’ny fitondrana na olom-boatendry ankehitriny no manao vava etsy sy eroa, fa olona efa naloham-bahoaka ny mpanohitra, tsy mahatarika olona intsony,… saingy ny fihetsika asehony dia maneho fa matahotra mafy ny Fanjakana. Heverina fa tsy resaka fanonganam-panjakana loatra no atahorany, fa ny mety hanehoan’ny olona hoe: tena tsy manjary intsony ilay fitondrana, mikoroso fahana ny firenena, ka aleo manamaro isa ny mpanohitra hanehoana fa leo sy tofoka ny vahoaka.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap