airtel

Politique

10-août-2022

Politique

Vovonan’ny tanora mpitolona tia tanindrazana “Hafahafa ny fanambaran’ny GEN”

Sample post image

Ny vovonan’ny tanora mpitolona tia tanindrazana na JPRM dia tena manara-baovao ary mijery sy miaina ny raharaham-pirenena misy eto Madagasikara, hoy ny mpikambana ao aminy, Rivellino Ravelomahazo.

10-août-2022

Hitanay, hoy izy, ireny fanambaran’ny GEN na vondron’ireo manam-pahaizana eto amin’ny firenena ireny. Tsy hainay na manara-baovao ireo olona ireo na tsia fa vao nanomboka izao fitondrana izao dia izany “budget d’austérité” izany na politikan’ny fitsitsiana, tamin’ny alalan’ireo “contrat programme” na fifanarahana ombana tetikasa nampanaovina ireo minisitra no nimasoan’izao fitondram-panjakana izao. Tonga aty amin’ny 2022, 3 taona aty aoriana, dia nilaza indray fa hampiharina ny “budget d’austérité”. Ny famaritana an’io angamba no tsy azon’ny olona ao anatin’ny GEN nefa dia hitako ho tena misy olona manam-pahaizana ao saingy hampitenenina koa angamba fa minia tsy mijery ny fahamarinana misy eto amin’ny firenena. Raha ireo fitakian-drizareo izany no atao. Ohatra hoe amidy ny fiaram-panjakana na tsy ampiasaina ny karatra fanilo na “ticket carburant” an’ireny minisitera ireny dia inona hoy isika mpanara-baovao no ho fiantraikany? Voalohany aloha tsy ara-dalana ny fanapahan-kevitra toy izany satria ny fananam-panjakana dia sady tsy azo amidy no tsy azo omena olona. Mifanohitra tanteraka amin’ny etika repoblikanina sy sata repoblikanina noho izany no takian’ny GEN. Miteraka tsy fahombiazana, hoy izy, ny fitokanana, fandaniam-bola fahatany. Tafiditra ao anatin’ny fitantanam-panjakana ny lanonana ofisialy. Handray ambasadaoro na ampahafantatra amin’ny vahoaka ny zava-bitanao ve ianao dia tsy hamoaka vola? Hafahafa ary mifono ny antsoina hoe “paralysie de l’administration” na tsy fahafahan’ny fitondrana mihetsika ny tian’ny GEN ahatongavana amin’ny fanambarany. Rehefa tsy afa-mihetsika ny fitondrana dia malemy ary mety hiongana ho azy, hoy hatrany ny JPRM.
J. Mirija 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap