airtel

Politique

25-oct-2021

Politique

Zanak’Atsimo Atsinanana “Misy manao ampihimamba ny harena any aminay”

Sample post image

Tontosa ny sabotsy teo teny Antanimora ny fandraisam-pahefan’ny filohan’ny fikambanan’ny faritra Atsimo Atsinanana na Zanaray, Boto Voavonjy Richard Albert, izay iraisan’I Vangahindrano,

25-oct-2021

 Midongy, Befotaky, Farangana sy ny maro hafa. Ny taona 1960 no efa niorina ity fikambanana ity mba hahafahan’ireo zanak’ireo faritra ireo mifanampy miatrika ny olana ara-tsosialy sy ekonomika eto amin’ny firenena, hoy ity filoha ity. Manan-karena ny faritra misy anay. Raha tsy hiresaka afa-tsy Vangaindrano, ohatra, dia maro ireo harena an-dranomasina na “ressources halieutiques” na ny voly fanondrazana. Misy anefa ireo manao ampihimamba ny harena any aminay. Izay no iantsoanay ny fitondram-panjakana mba hitodika hijery iny faritra iny. Misy jirofo ao, misy lavanilina. Miantso ireo zanaka am-pielezana hatrany an-dafin’ny riaka ihany koa mba hijery ny tanana misy antsika, hoy hatrany ny antso avon’izy ireo. Ankoatran’izay moa dia nisy ny fanangonana tolo-tanana hanampiana ireo fianakaviana 800 tafo mahery izay traboina vokatry ny doro-tanety nitranga farany teo tao Farafangana nandritra ity lanonana ny fifamindram-pahefan’ny zanak’Atsimo atsinanana ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Hanao rodorodo any Toamasina hiatrika ny filankevitry ny minisitra mitety faritra anio

Card image cap
17-avril-2024

Efa niteny ny antoko politika Teza fa tsy handray anjara amin’io fifidianana io satria ho haingon-tsehatra

Card image cap
17-avril-2024

Mitohy ny fanapahan-kevitra hafahafa ao amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza taorian'ny nanonganan'ny IRD

Card image cap
16-avril-2024

Anio 16 aprily 2024 no hamoahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na

Card image cap
16-avril-2024

Isan’ireo antoko nanapa-kevitra handray anjara amin’ny fifidianana ny antoko politika Otrikafo

Card image cap
16-avril-2024

Mbola misy ny antsojay amin’ireo tsy ao anatin’ny antoko politika miaraka amin’ny fitondrana

Card image cap