airtel

Politique

19-avril-2022

Politique

Zaza Ramandimbiarison “5% monja ny vola voasoratra mankany amin’ny faritra ”

Sample post image

Ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty, “ny andron’ny Paska” dia fisehoan-javatra “tsy manam-paharoa” izay manome dikany izay rehetra niseho tany aloha sy ireo zavatra hiseho manaraka, ,

19-avril-2022

hoy ny minisitra teo aloha, Zaza Ramandimbiarison. Manome ny fanantenana ho antsika zanaky ny olombelona mino, manokatra ho amin’ny fahasambarana tanteraka, ho amin’ny fahazoana antoka fa azo resena tanteraka ny ratsy, indrindra fa fitondrana tia kely izay misy eto amin’ny firenena izany, hoy izy. Noho ny fomba fitantanana tsy manaram-penitra, tsy mahomby dia tsy miantefa any amin’ ny malagasy maro an’isa ny asan’ny fanjakana. Mivangongo eo amin’ ny fanjakana foibe daholo ny fahefana sy ny fampiasana ny volam-panjakana. 95%n’ny vola voasoratra ao amin’ny tetibolam-panjakana dia ny fanjakana foibe no mitantana azy izay mibaiko ny filohan’ny firenena noho ny rafitra izay misy ary 5 % monja no mankany amin’ny faritra sy kaominina. Azo resena tanteraka izany toe-javatra izany. Izany fivangogoam-pahefana izany dia miteraka zavatra tsy mety toy ny fitiavan-tena, tsy fanajana ny zon’ny tsirairay, manome vahana fiarahamonina tsy mandala ny fahamarinana, fitantanana manome tombontsoa manokana tsy ara-drariny, miangatra ary manavakavaka ho an'olona vitsivitsy. Tsy alohalika intsony ny ranombary fa miakatra an-tendan-kely sy tonga mandifotra ny loha ka miteraka fahantrana lalina sy fifamonoana , fandatsahan-dra ny samy Malagasy. Raha tsy misy fiaraha-mientana hanova , mba hahazoan’ny tsirairay ny anjara masoandrony ao anatin’ny fifanomezan-kasina , ny fifampihainoana ary ny fifampitokisana dia hiverina hatrany ny disadisa sy ny fahasosorana lava eto amin’ny firenena noho ny fitiavan-tena be loatran’ny olona vitsy izay mahazo fahefana sy noho ny elanelana be loatra amin’ny samy malagasy na eo amin’ny fidiram-bola na eo amin’ny maha olona sy ny hafa rehetra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap