airtel

Politique

17-mai-2022

Politique

Zaza Ramandimbiarison « Mahay mihaino ve ny fitondrana ? »

Sample post image

Tontosa iny ny fitsirihina nataon’ny vondrona eoropeanina mikasika ny fanaraha-maso ny fifidianana, hoy ny mpanao politika, Zaza Ramandimbiarison.

17-mai-2022

Fanambina fankatoavana no andrasana mikasika ny dingana arahana momba azy io, hoy izy, raha fehezina. Mbola taratra tao ihany ireo nampisy olana tamin’ny lasa sy mivaona amin’ny fenitra iraisampirenena. Fanamby fototra ho an’ny CENI mikasika ny fifidianana 2023, noho izany, ny fisorohana ny fitanilana eo amin’ny fahafahan’ireo mpandray anjara. Voaporofon’ny fahavitsian’ny mpandatsa-bato farany teo ny tsy fahatokisan’ireo mpifidy ny CENI eo amin’ny fikarakarana fifidianana. Tsikaritra ho navela hanana tombony nihoatra ny hafa ny kandida eo amin’ny fitondrana ankehitriny. Ilaina mialoha izao fifidianana hoavy izao noho izany ny fikaonan-doha anaty fitoniana. Vitsy ireo natao, hoy ny iraky ny vondrona eoropeanina, Christian Preda, izay mpikamban’ny parlemanta eoropeanina teo aloha, raha nanao ny fitsirihany teto. Mba mahay mihaino ve anefa ny fitondrana? Ho hitan’ny vahoaka Malagasy amin’ity herinandro ity ny mety ho valin’izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap