airtel

Politique

21-mars-2022

Politique

Zaza Ramandimbiarison “Tena ho zava-doza ny krizy, mila asa fa tsy kabary”

Sample post image

Raha nilaza ny filoham-pirenena ny alarobia 16 martsa 2022 nanoloana ireo minisitra vao notendrena fa “tsy ny iraka ny zava-dehibe fa ny fiantraikany”,

21-mars-2022

 dia namaly sy naneho hevitra momba io kosa Atoa Zaza Ramandimbiarison Praiminisitra lefitra tamin’ny Fitondrana Ravalomanana, fa asa fa tsy kabary no tena manan-daja amin’ny daholobe fa tsy ny resaka ». Tafapetraka ny governemanta saingy hanatsara ny fiainan’ny Malagasy izay tena andrasana ve ?. Miankina amin’ny asa ataony izay mifandraika amin’ny filàna maika ho an’ny vahoaka maro an’isa no mampipetraka ny haja sy ny finoan’ny olona izay ambaran’ny mpitondra, fa tsy ny resaka ataony, raha ny làlan-tsaina noresahin’Atoa Zaza Ramandimbiarison. Ny zava-misy dia efa tsy takona hafenina : fiakarana sy fidangan’ny vidim-piainana indrindra fa ny sakafo, ny solika izay ahiana hampiakatra ny tsy fitoniana. Ny tondro sy fambara momba ny fidangan’ny vidim-piainana na « inflation » dia manery ny governemanta vaovao hiverina handinika ny tokony ho laharam-pahamehana ary mamerina mihitsy ny tetibola mifandraika amin’ny hoenti-manana izay mila mahomby amin’ny lafiny toekarena fa indrindra hiaro ao anatin’ny hamehana ny Malagasy amin’ny fiantraikan’ny valanaretina sy ny ady any Ukraine. Ny fanafihana mahazo an’i Ukraine ataon’I Russie dia hisy fiantraikany tsimoramora saingy mihazakazaka be ny fidanan’ny vidim-piainana noho ny toekarentsika tena marefo, hoy hatrany Atoa Zaza Ramandimbiarison. Nambarany fa raha hiresaka mivantana mikasika varotra maneran-tany, amin’ny fizahantany amin’ny famatsiam-bola ivelany, hahatsapa ny tsindry goavana mifandraika amin’izany i Madagasikara amin’ity taona ity. Miankina amin’ny fanafarana solika ny toekarentsika, kanefa ho efa tena fantatara ny fitotonganana ara-bola sy ara-barotra miharihary arahin’ny tsindrin’ny fidangan’ny vidim-piainana. Ny fiakaran’ny vidin’entana ilaina andavanandro mba hamenoana ny filan’ny olona (savony, menaka, mofo,…) sy ny fiakaran’ny vidin’ny solika dia hampiharihary ny fiakaran’ny sondro-bidim-piainana, izay maneho ny fitotonganan’ny vola miditra amin’ny isan-tokantrano. Hikorontana ihany koa ny varotra ifanaovantsika amin’izao tontolo izao, hampihisatra ny raharaha ara-toekarena eto. Ny programa famoronan’asan’ny Fanjakana ihany koa anefa hikorontana, ka tanora an’arivony maro efa tsy manana no mbola hitotongana sy hanamaro isa ny vondron’olona ao anatin’ny fahantrana. Any amin’ny governemanta vaovao sy ny Fanjakana ny baolina, ary miankina aminy amin’izay ihany koa ny ho avy politikan’izao Fitondrana izao, raha haravona ny ampahan’ny fanehoan-keviny.

Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Nidina ifotony nanaramaso ny lisipifidianana teny amin’ny fokontany Andafiavaratra

Card image cap
27-mars-2024

Mbola tena marefo ny fiainan’ny antoko politika eto Madagasikara hoy Ramatoa Mireille Andriambolanoro,

Card image cap
27-mars-2024

Tsy mametram-panontaniana ve isika, hoy i Raobelina Andry avy ao amin’ny kolekitifa an’ny Malagasy hoe :

Card image cap
27-mars-2024

Sarotra ny hananana fanantenana fa hiova hahomby izao fitondrana misy izao.

Card image cap
27-mars-2024

Vaovao politika nalaza tao anatin’ny 48ora farany ny fanambarana politika

Card image cap
27-mars-2024

Nisy ny tafa tamin’ny mpanao gazety nataona parlemantera vitsivitsy,

Card image cap