airtel

Politique

22-juil-2022

Politique

Zaza Ramandimbiarison « Tsy fifidianana fotsiny no aretin’ity firenena ity »

Sample post image

Tsy fifidianana fotsiny no aretin’ity firenena ity, hoy ny minisitra lefitra teo aloha, Zaza Ramandimbiarison. Mila fanorenana ifotony mihitsy, hoy izy, ho an’ny hoavin’ny Malagasy.

22-juil-2022

Iaraha-mahalala ny fahasahiranana sy fahantrana misy sy miha lalina eto Madagasikara. Toe-draharaha vokatry ny tsy fahaiza-mitantana nisy nandritr’ireo fitondrana rehetra nifandimby io. Samy manome vahaolana ny amin’ny tokony hisian’ny fikaonandoha daholo ny rehetra nefa rehefa jerena ilay izy dia toa afantoka loatra amin’ny resaka fikarakarana fifidianana hoavy. Misy hery hafa miantso dinika hitadiavana vahaolana maro. I Madagasikara anefa dia marary noho ny fanaovana politika maloto nampiainana azy an-taonany maro izay voavolavola isaky ny taom-pifidianana am-polo taona maro. Tsy azo fintinina amin’ny resaka fikarakarana fifidianana ny hoavin’ny Malagasy. Ilana vahaolana ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny olana ara-tsakafo, ny olan’ny angovo, ny olan’ny fahasalamana. Tsy tokony hiandrasana taom-pifidianana ny fiaraha-mamaha izany olana rehetra izany, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap