airtel

Politique

22-mai-2024

Zotram-pifidianana ao Morondava

« Tsy misy fiantraikany ny fisiana kandida maty »

Sample post image

Tsy misy fiantraikany amin’ny fampielezan-kevitra sy ny fifidianana amin’ny 29 mey 2024 ny fahafatesan’ny

22-mai-2024

kandidan’ny Firaisankina Mamy Claver Meryson tao Morondava ny alatsinainy teo, raha ny fanazavan’ny Mpampaka-tenin’ny CENI Atoa Soava Andriamarotafika omaly. Tsy mitovy amin’ny fifidianana Filoham-pirenena ny fifidianana solombavambahoaka. Tsy ilay kandida namoy ny ainy no soloina ny toerany, fa miakatra ireo mpiray lisitra, ka ilay farany no banga, iny no fenoina, ka tsy tokony hisy resabe intsony, hoy io olon’ny CENI io, hita tamin’ny haino aman-jery. Mikasika ilay kandida namoy ny ainy, dia fiakaran’ny tosidra no antony raha ny tomban’ny mpitsabo. Niakatra be ny tosidra, natao ny fameloman’aina sy fitsaboana rehetra, saingy tsy tana ny ainy, hoy ny mpitsabo. Mandeha kosa ny feo ao Morondava, fa nopoizinina noho ny antony ara-politika ity kandida ity. Tsiahivina fa efa kandida ben’ny tanàna tao Morondava Itompokolahy Mamy Claver Meryson, fa nofoanana ny fifidianana, ary nisy fotoana naiditra am-ponja noho ny fanenjehana ara-politika izy.
Toky R


 

Dans la même rubrique

15-janv-2025

Mafampana ny toe-draharaha mikasika ny fifidianana ao Toamasina I. Nanamafy fa hijoro

Card image cap
15-janv-2025

Nafotaka ny fifampitorian’ireo samy kandidà ho ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra noraisina

Card image cap
15-janv-2025

Efa tany amin’ny taona 1913 no nanomboka ny lalàna momba ny fisaharahan’ny

Card image cap
14-janv-2025

Andrasana tsy ho ela ny voka-pifidianana eto Antananarivo Renivohitra taorian’ny fiakarana fampanoavana mikasika

Card image cap
14-janv-2025

Anatin’ny kihon-dàlana farany amin’ny fitsarana ny raharaham-pifidianana ireo Tribonaly misahana ny ady

Card image cap
14-janv-2025

Miantso ny mpitondra fanjakàna izay raiamandreny, hoy ny antoko politika Natiora.

Card image cap