airtel

Sarisary

04-mars-2024

Fiara misy sarina minisitra

Efa fangalarana « départ » amin’ny fifidianana depiote ?

Sample post image

Nanaitra ny olona ny fahitana ny fiara 4x4 misy sary sy anaran'i Tokely Justin,

04-mars-2024

minisitry ny Ati-tany any Sambava any. Mipetaka eo amin’ny vatan’ny fiara izany. Misy mametra-panontaniana hoe voafaritra anatin'ny asa tanterahiny anatin'ny 100 andro amin’ny maha mpikamban'ny governemanta azy koa izao sa efa propagandy ho amin’ny fifidianana solombavambahoaka ? Ny resaka hafa maneho, fa fiara nomeny ho an’ny vahoakan’i Sambava izy io, ary efa tamin’ny volana desambra 2023 lasa teo no voalaza ho nanolorana azy ho fitsinjovana sy fanalana fahasahiranana eo amin’ny fianankaviana raha misy aretina, fahafaesana,… Raha ny fahitana ny sarin’ny fiara tamin’izany anefa, dia tsy nisy an’io sary sy anarana io, raha tsy hoe fiara roa samihafa fa mitovy ny marika. Ara-politika, efa mandeha be ny resaka fa mety ho kandida hofidiana ho solombavambahoaka ao amin’ny distrikan’i Sambava ity Minisitra isan’ny mitana toerana stratejika eo anivon’ny governemanta ity. Ny tenany izay efa governoran’i SAVA talohan’ny naha minisitra azy. Minisitra maromaro no mety ho kandida depiote ka tombanana ho efa tondro sy fambara amin’ny hirotsahan’ny minisitry ny atitany izao. Misy kosa no maneho fa zon’ny mpanome no mametaka izay sary na soratra amin’ny fanomezana izay atolony kanefa betsaka ihany koa ny mametra-panontaniana hoe : sao dia efa fangalarana « départ » amin’ny fifidianana depiote ? Andrasana anefa ny tohiny sy ny fivoaran’ny politika !
Toky R
 

Dans la même rubrique