tia tanindrazana

Parution du Mercredi, 20 Octobre 2021

airtel

Sosialy

2019 - 2021 Niakatra avo roa heny ny vidim-piainana

Tsy nisy fidanganam-bidim-piainana nihazakazaka noho izao iainana ankehitriny izao angamba tao anatin’ny 60 taona.

05-août-2021

Sample post image

 Nanara-penitra ny fitotonganam-piainan’ny ankamaroan’ny vahoaka Malagasy tao anatin’izay 3 taona latsaka izay ary ankehitriny moa dia efa mena ny tondro, hoy ireo maneho hevitra mikasika ny fiainam-pirenena ankehitriny. Isan’ireo firenena mahantra indrindra maneran-tany I Madagasikara, raha ny mari-drefy apetrak’ireo sehatra iraisam-pirenena fa manaporofo izay fahantrana izay indrindra amin’izao fotoana izao ity fidangam-bidim-piainana izay efa hita ho tafahoatra ny avo roa heny ity. Tsy misy azo atao mihitsy ve ho fanafan’izy ity? Saika miakatra avo roa heny avokoa ny vidin’ireo entana ilaina andavan’andro. 600 ariary ny farany mora indrindra amin’ny vidin’atody raha 300 sy 350 ariary izany taoriana kelin’ny fifidianana 2018. Lasa 50.000 ariary mahery koa ny saribao iray gony raha manodidina ny 25.000 ariary teo aloha. Maherin’ny 10.000 ariary ny litatry ny menaka. Ny vary dia lafo hatrany na dia fararano aza.Rehefa nohadihadiana moa ny isan’ny mpivarotra ireo vokatra miisa 2 voalaza voalohany teo dia saika fanazavana azo iadian-kevitra ihany no anton’ilay sondro-bidy. Isan’izany fanazavana izany, ohatra hoe, vitsy ny atody satria ririnina isika izao dia mangatsiaka ny akoho. Tsy efa toy izany foana ve moa izany no zava-misy isan-taona? Ny mikasika ny harona fandrehitra indray moa dia ny hoe mitombo ny hetra alaina aminy ary noferana ihany koa ny fahafahana manapaka hazo. Ny saran-jiro sy ranon’ny Jirama dia io mampimenomenona olona io, ny faktiora 2 taona lasa 150 000 Ariary, lasa 340 000 Ariary amin’izao fotoana; ary ny tena loza rehefa nampiharina ilay hoe “tarif” vaovao, ny faktiora 300 000 ariary roa volana lasa dia tonga hatrany amin’ny 500 000 ariary ankehitriny; ny fidiram-bolan’ny isan-tokantrano anefa tsy nitombo. Efa lasa tantara moa sisa ny kabary nataon’i Andry Rajoelina tamin’ny 2009 momba ny vidin’ny menaka sy ny vary izay nolazaina fa nataon’ny Tiko sy Magro ampihimamba. 12 taona aty aoriana ilay litatry ny menaka hoe 2500 ariary nampanantenaina lasa 10 000 ariary.Tsy manam-bahaolana mivaingana sy maharitra hatreto ny fitondram-panjakana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Fitakiana sy grevy Nanitsy ny vavabe nataony ny praiminisitra
20-oct-2021

Nilefitra ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta Atoa Ntsay Christian omaly eo anatrehan’ny grevy samihafa miseho eto amin’ny firenena.

Card image cap
Trafika goavana teny Ivato Safira, Emeraude mitentina 2 miliara Ar no tratra
20-oct-2021

Sarona indray ny fikasana hanao trafikana harem-pirenena goavana teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato omaly talata 19 oktobra.

Card image cap
Mpatory an-dalana etsy Anosy Zaza menavava 7 volana namoy ny ainy
20-oct-2021

Zazavavy kely iray tsy manan-tsiny zanaka mpatory an-dalana etsy Anosy no namoy ny ainy omaly atoandro tokony ho tamin’ny 10 ora tany ho any.

Card image cap
Kaominina Andranonahoatra Itaosy Maika ny fijerena ireo lalan-kely isan-tanana
20-oct-2021

Mbola tsy milatsaka akory ny ranon’orana dia efa velom-panahiana sahady ireo mponina sasany ao anatin’ny kaominina Andranonahoatra, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap
Jiro sy rano Hiverina haka “Index” ny Jirama
18-oct-2021

Teboka maromaro no nambaran'ny Tale Jeneraly mpisolo toerana, Radanielina Rivo, ny faran’ny herinandro teo nandritra ny fidinana ifotony teny amin'ny masoivohon'ny JIRAMA Ambatonakanga

Card image cap
Tsena vaovao Behoririka Nisy mpivarotra nesorina tamin’ny toerany
18-oct-2021

Manomboka misy zavatra tsy milamina sahady eo anivon’ny tsena vaovao Behoririka, kaominina Antananarivo renivohitra.

Voir plus