airtel

Sosialy

09-juin-2022

Sosialy

26 JONA AO ALASORA Zaza 160 no hoforaina, zokiolona 1000 omena fanampiana

Sample post image

Samy manana ny fomba entiny hanamarihana ny fankalazana ny tsingerin-taona faha-62 taona nahazoantsika ny fahaleovantena ny kaominina tsirairay avy.

09-juin-2022

Ho an’ny kaominina Alasora, distrikan’Antananarivo Avaradrano manokana dia fantatra fa zazalahy kely miisa 160 hatao didim-poitra maimaim-poana no hisantarany ny fetin’ny 26 Jona ho an’ny resaka sosialy. Amin’ny Talata 14 Jona ho avy izao no hanatontosany izany manerana ireo Fokontany 20 isa samy hanomboka amin’ny 04 ora maraina avokoa. Raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy dia arahina fizarana fanampiana ho an’ireo zokiolona mihoatra ny 1.000 manerana ny kaominina izany mba hahafahan’izy ireo mifaly. Mikasika ny lanonana hotanterahina amin’ny datin’ny 25 Jona indray moa dia fantatra fa hisy podium goavambe hotontosaina eny amin’ny kianja maitso iarahana amin’ny mpanankato malaza Wadda sy youngs, Marion, Ariane Joy hotronin’ireo mpanankato eny an-toerana. Tsy adino ny antsan-kiram-piderana ho fisaorana an’Andriamanitra izay iarahana amin’ny Faratiana Church, Antsan’i Kristy, ny angel’s voice, izay hatao eny Ankadindratombo, hotronin’ireo antokom-pihira avy amin’ny fiangonana samy hafa ao Alasora. Hofaranana amin’ny hira gasy goavambe izany ny datin’ny 26 Jona folakandro raha eo ihany koa ny lalao baolina izay efa nanomboka iray volana latsaka izay iadiana ny amboaran’ny Ben’ny tanana ho an’ny sokajy rehetra. Feno ny fandaharam-potoana entina hanamarihana ny fetim-pirenena ho an’ny kaominina Alasora.
Pati
Legende : Randriantsoa Jimmy, Ben’ny tananan’Alasora !
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap