airtel

Sosialy

10-juin-2022

Sosialy

26 jona ao Ambohidrapeto Ankizy miisa 1.500 no hozaraina arendrina

Sample post image

Toy ny kaominina rehetra manerana ny Nosy dia hanamarika amim-pifaliana ny fetin’ny 26 Jona ihany koa ny kaominina Ambohidrapeto,

10-juin-2022

tarihin’ny Ben’ny tanàna Nalinirina Andriantsilavo Mihary Manantena. Raha araka ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety omaly dia hisy ny fizarana arendrina ho an’ireo ankizy tena sahirana miisa 1500. Manerana ireo Fokontany rehetra no hanatanterahana izany, hetsika izay efa nosantarina tamin’ny fanaovana didim-poitra faobe ho an’ireo zazalahy kely miisa 50. Efa nisy ihany koa ny hetsika fanamboarana kopia faobe notanterahin’ity kaominina ity ka ankizy miisa 100 amin’ireo 500 tokony hisitraka izany no efa nahazo ny anjarany. Hisy moa ny fitondrana arendrina mandehandeha manerana ny tanana ny datin’ny 25 jona ho avy izao raha araka ny fanazavana azo hatrany, hitohy amin’ny kermesy lehibe hatao ao amin’ny Fokontany Antsahamasina. Hofaranana andron’ny 26 jona kosa ny lalao baolina kitra hifanandrinan’ireo tafakatra amin’ny dingana famaranana ahitana ny sokajy senior sy veteran ka omby 2 no loka hatolotra ho an’izay mivoaka ho mpandresy amin’izany. Hisy ihany koa ny fampisehoana maro isan-tsokajiny.
Pati
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap