Nomarihina omaly tetsy amin’ny foiben’izy ireo etsy 67ha ny faha 9 taonan’ny Randrana sendikaly. Maro ny dingana natrehana tao anatin’izany, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga, indrindra, mikasika ny sakantsakana teo amin’ny tontolo ara-tsendikaly. Vao mainka niha mafy ny tolona sendikaly tao anatin’izay ary manakaiky ny mpiasa, hoy izy. Tonga hatrany amin’ny sehatra iraisampirenena mihitsy ny fanehoana fa mafanafana ny hetsiky ny sendika teto Madagasikara tao anatin’izay 9 taona izay. Sady fanomanana ny faha 10 taona izao hihetsehana hanohanana ireo mpiasam-panjakàna mbola miaina anatin’ny fahasarotana ara-tsosialy. Isany ny avy eo anivon’ny ACM na «Aviation civile de Madagascar», izay misahana ny habakabaka malagasy ary mbola mitohy foana ny fampiantsoana ny mpiasa ho eny amin’ny Bianco taorian’ireny tatitry ny fitsaràna momba ny kaonty milaza fa misy fampidirana mpiasa mamofompofona kolikoly tamin’izany fotoana izany ireny. Tsy miditra amin’ny raharaham-pitsaràna ny Randrana sendikaly na mibaiko ny asan’ny mpitsara sy ny toy izany fa nanao fifanarahana tamin’ny mpiasa kosa hoe rehefa mihoatran’ny 12 volana dia zon’ny sendikà ny miaro ny mpiasa satria manan-jo ho arovana amin’ny andraikiny ny mpiasa. Fampandehanana ny mpiasa any amin’ny Bianco na Birao misahana ny ady amin’ny kolikoly ve no maika? Efa be dia be koa ny minisitra sy mpitondra efa navoakan’ny fitsaràna momba ny kaonty fa tsy nisy tohiny. Ny fampiakarana karama hoe aiza ho aiza na ny sosialin’ny mpiasa izao no tokony jerena. Ny Secren izao nampiantso ny sendika fa hoe be dia be indray ny olana ho an’ireo olona misotro ronono, izay tsy nahazo izany, satria tsy narotsaky ny Secren ny latsakemboka. Eo no itodiana amin’ny fanjakàna satria ny filohan’ny fanavaozana efa niandry tany Antsiranana tamin’ireny fotoana ireny. Niandry ny sendika hoe naninona no tsy mba nisy hoe nametraka izao tapitrisa ny filohan’ny fanavaozana hikarakaràna ireo zokiolona ireo. Vao naheno tsinona izao isika hoe tany amina fivoriana ny filohan’ny fanavaozana tonga dia niteny hoe izao tapitrisa no omena ireto olona ireto hanaovana an’izao. Izay rehetra andehanany dia nizaràny fa ny taty amin’ny mpiasa koa mba niandry ary miandry hatramin’izao. Aiza ho aiza ny volan’ny CNaPs sy ny mpiasan’ny Air Madagascar? Misy volan’ny mpiasa mila jerena daholo izany. Ny minisitry ny fitaterana izao sendikalista. Sendikalista ny tale jeneralin’ny ACM. Toy izany koa ny tale jeneralin’ny Madagascar Airlines. Rehefa lasa mpitantana ve ianareo dia adino ny hoe voalohany sy maika ny tontolon’ny mpiasa? Tsy misy fampandrosoana vita tsy miaraka amin’ny mpiasa izany! Izany no nidiran’ny sendika anaty fanavaozana. Tafiditra anaty fitondràna izao ny sendikalista. Ireny latsakemboky ny mpiasa tsy mirotsaka araka ny tokony ho izy, izany hoe, tsy hisitrahany akory ireny no tokony hanaovana fanadihadiana lalina. Niainga taorian’ny hetsika mavaivay be nanagadràna ireo mpiasan’ny Air Madagascar efa-dahy ny Randrana sendikaly. Lasa tale jeneralina orinasa iray izao ilay iraika lahy tamin’ireny. Nisy foana ny hetsiky ny sendikà fa tsy niha tsara ny fepetra ara-tsosialin’ny mpiasa. Antony tsy nisalasalàn’ny Randrana sendikaly nanampy ny fanavaozana izany. Fotoana tokony hiaingàn’ny fanavaozana izao. Aza variana mamaha olana politika toy ireo teo aloha ka hanao ambanin-javatra ny olana sosialy dia avy eo tsy hahita vokatra! Tokony miara-vahàna ny olana sosialy sy politika! Mbola tsy tratrantsika akory izao ilay 3 Dolara isan’olona, isan’andro faritan’ny banky iraisampirenena. Izao no fotoana ilàn’ny sendikalista anao. Ho avy ny hetsika mikasika izany rehetra izany satria hetsika no mampiavaka ny sendikà, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija