airtel

Sosialy

24-mai-2022

Sosialy

Aborano Beapombo II Omby 13 maty nihinana hodi-mangahazo

Sample post image

Saika ripaka avokoa ny omby tao amina tokantrano iray tao amin’ny kaominina ambanivohitra Aborano, kaominina ambanivohitra Beapombo II any amin’ny distrikan’i Toliara II.

24-mai-2022

Miisa 13 izy ireo no tsy tana intsony ny ainy vokatry ny fihinanana hodi-mangahazo. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nividy mangahazo tao akaikin'ny kaominina ambanivohitra Isoanala ny tompon'omby ary nitondra izany nody. Rehefa avy novoasana ilay mangahazo mba havadika ho mangahazo maina dia nomena ny omby toy ny mahazatra ny hodiny. Akory anefa ny hatairan'ireto farany fa raha vantany vao nihinana ilay hodi-mangahazo ireo omby ireo dia nitolefika ary maty nanary aina avokoa. Nisy ihany anefa ireo avotra soa aman-tsara rehefa avy nomena ranon-tsiramamy. Efa nentina eny anivon’ny dokotera mpitsabo biby moa ireto omby namoy ny ainy ireto hamantarana izay tena nahazo azy marina. Eo an-daniny nogiazana tsy azo hamidy ny henany sao sanatria hamono ny mpanjifa ihany koa.
Nangonin’i Pati
 

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap