airtel

Sosialy

03-mai-2022

Sosialy

Ady amin’ny doro tanety Nametraka aro afo tao Firarazana ny Ministeran’ny tontolo iainana

Sample post image

Laharam-pahamehan’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ny ady amin’ny doro tanety sy ny doro ala ka efa manomana sahady ny fiatrehana izany tompon’andraikitra isan’ambaratongany ny eo anivon’ny

03-mai-2022

Ministera sy eny anivon’ny faritra tsirairay avy. Nirotsaka tao Firarazana, distrikan’Ankazobe ny Minisitry Ramatoa Minisitra Vina Marie-Orléa ny faran’ny herinandro teo niara-nisalahy tamin’ireo fokonolona any an-toerana nametraka aro afo tao amin’ny saham-pambolenkazo ao Firarazana izay lasibatry ny afo isan-taona. Ny distrikan’Ankazobe dia isan’ny toerana hanjakan’ny doro tanety isan-taona ary betsaka ny velarana may rehefa tonga ny fotoanan’ny afo ka antony nahatonga ny Minisitra sy ny teknisianina avy eto anivon’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy nidina tany an-toerana nanatanteraka ny aro afo hiarovana ireo zanakazo novolena ireo sy niara-nijery vahaolana tamin’ireo mponina sy ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Ankoatra ny tao Firarazana dia nitsidika ny faritra arovana ao Ambohitantely sy ny Faritra arovana Ankafobe ihany koa Ramatoa Minisitra Vina Marie-Orléa izay samy nametrahana aro afo niarahana tamin’ireo mponina manodidina avokoa. Ho an’ny faritra arovana Ambohitantely manokana dia aro afo maherin’ny 70 km no efa tafapetraka mba hiarovana ny ala ao an-toerana ary efa kilometatra maro ihany koa ny aro afo napetraka ao amin’ny Faritra arovana Ankafobe izay iarahan’ny MEDD, ny mpitantana ny faritra arovana ary ireo mponina manodidina manatanteraka. Nanentana ireo mponina eny ifotony ireo Ramatoa Minisitra Vina Marie-Orléa hifanome tanana hiaro ireo ezaka amin’ny fambolen-kazo izay niarahana nanao sy hanatsahatra ny fandoroana tanety izay miteraka voka-dratsy ho an’ny rehetra indrindra amin’ny fiovan’ny toetr’andro.
Pati

 

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap