airtel

Sosialy

07-juin-2023

Sosialy

Ady amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona

Sample post image

Hamory ireo tompon’andraikitra isan-tokony ny mediatiora

07-juin-2023

Miha mahazo vahana ny fampiasana zaza tsy ampy taona eto amintsika. Mahatsiaro ho manana andraikitra amin’izany ny mediatiora ka fantatra fa hamory ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ato ho ato hahafahana manavao ny lalana mifandraika amin’izany. Raha araka ny fanazavan’ny maitre Lala Ratsirahonana, mediatiora eo anivon’ny Repoblika mantsy dia misy ny lalana mifehy ny fampiasana zaza tsy ampy eto amintsika saingy tsy ampy no sady tsy dia mazava loatra ny fampiharana azy. Tsy matahotra intsony ireo mpanam-bola noho izany manakarama ireo kilonga madinika miaraka miasa an-trano, mikapo-bato, mitrandraka harena an-kibon’ny tany….Maro ireo fitsipika tokony hapetraka araka izany hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity. Notsiahivin’ny Maitre Lala Ratsirahonana moa fa mitarika mankany amin’ny fanaovana herisetra ny ankizy madinika ny fampiasana azy ireny aloha loatra. Tsiahivina moa fa ny 27%-n’ny zaza malagasy 5 ka hatramin'ny 17 taona no efa misehatra sahady eo amin'ny tontolon'ny asa.
Pati
Legende : I Tenasoakely , tratran’ny aretina lefakozatra vokatry ny asa fitrandrahana nataony tany amin’ny faritra Atsimo.
(Sary nindramina)
 

Dans la même rubrique

26-sept-2023

Miditra efatra andro anio Talata 26 Septambra ny fahatapahan-drano ao anatin’ny kaominina Alasora,

Card image cap
26-sept-2023

Tontosa omaly 25 septambra 2023 tao amin’ny distrikan’Ankazobe ny fizarana titra sy kara-tany ho an’ny faritra

Card image cap
26-sept-2023

Tonga tao amin'ny Port Ehoala Fort Dauphin omaly ny sambo Triumph avy any Turquie izay mitondra ireo fantsona

Card image cap