airtel

Sosialy

10-nov-2021

Sosialy

Ady amin’ny fiparitahan’ny fako Tonga any amin’ny faritra atsinanana ny Kopakelatra

Sample post image

Ny fiandohan’ny volana teo no tonga tany Toamasina ny tetikasan’ny STAR miaro ny tontolo iainana, Kopakelatra, tetikasa izay manana tanjona amin’ny fampianarana ny olon-drehetra hitandro ny fahadiovana amin’ny alalan’ny

10-nov-2021

 fanangonana ny tavoahangy plastika efa niasa eny amin’ireo baka natokana ho amin’izany. Ny orinasa Ambatovy sy tombin-tsolika Galana iray any Toamasina no nisitraka ireo baka Kopakelatra nandritra ny fampahafantarana natao mahakasika ny tetikasa.Ny Alarobia 03 Novambra lasa teo ny STAR no nanolotra tamin’ny fomba ofisialy ireo baka Kopakelatra ho an’Ambatovy tao amin’ny Centre de Formation Ambatovy, izay natrehin’ny mpiara-miombon’antoka ADONIS. Miisa 16 ireo baka fanangonana tavoahangy natolotra an’Ambatovy ka 05 amin’ireo any Moramanga ary 11 kosa any Toamasina. Natokana manontolo hampiasain’ireo mpiasa ao Ambatovy eny amin’ny toeram-piasana ireo baka ireo hampizatra azy ireo hanary ireo tavoahangy plastika efa niasa eny amin’ny toerana tokony hanariana azy. Fihetsika hampianarina izay mifanindran-dalana amin’ny fijerin’ny orinasa amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.Tohin’izany fanomezana izany dia nisy ihany koa ny hetsika « Tananàko Madio » notanterahina tamin’ny tanàna miisa valo tao Toamasina. Hetsika santatra tany an-toerana noentina nampahafantarana ny tetikasa Kopakelatra sy nampandraisana anjara ny daholobe amin’ny fanangonana tavoahangy plastika manerana ny tanànan’i Toamasina. Nahatratra 380 kilao moa ny tavoahangy tsy miasa voaangona nandritra izany.
Pati
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap